Genesisy 1: 3-33

Andininy
Protestanta Malagasy
3
Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|957EC513-0C7B-46BC-B449-164B77183175
4
Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny maizina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CAE4283D-339F-4549-A9FB-C178C8428727
5
Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37747681-543D-46A4-96EE-286D7EFE1AF2
6
Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia habakabaka eo anelanelan'ny rano; ary aoka hampisaraka ny rano amin'ny rano izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D2132E8-E0D4-4E4D-A0F7-650216804230
7
Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka ka nampisaraka ny rano ambanin'ny habakabaka tamin'ny rano ambonin'ny habakabaka; dia nisy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00F063A9-7B70-49B4-81E9-1BB5B6F4B0C8
8
Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe lanitra. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro faharoa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|149FF2DE-D40D-49AE-B5CB-954DE1C1080F
9
Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka hiangona ny rano eny ambanin'ny lanitra ho eo amin'ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina; dia nisy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DAEFA8F-1207-4F15-84C7-63E0F29AF463
10
Ary Andriamanitra nanao ny maina hoe tany; ary ny rano tafangona nataony hoe ranomasina. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C935D07-3E60-4672-BCCA-B698533C6E93
11
Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka manam-boa ao aminy, eny ambonin'ny tany; dia nisy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA0A0018-5575-4FA6-A3A4-8AFA323A9ECB
12
Ary ny tany naniry ahitra sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa izay manam-boa ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9ADEB462-FAB1-4206-99BE-B505C845C28C
13
Dia nisy hariva. ary nisy maraina, andro fahatelo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97CF46CF-E963-4DE2-9E4D-542068BE3E4E
14
Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia fahazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B31BD5C-83BC-443C-9DBC-71864514832B
15
Ary aoka ho fanazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra izy hanazava eny ambonin'ny tany; dia nisy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10B893C5-275C-4231-A918-460862DB39C4
16
Ary Andriamanitra nanao ny fanazavana roa lehibe, dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro ary ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina sy ny kintana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DD3100E-2224-4091-83FD-8EEB2D7ABDE0
17
Ary Andriamanitra nametraka azy teny amin'ny habakabaky ny lanitra hanazava eny ambonin'ny tany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B607231-3AB0-4702-9957-DA11F7CD2A0A
18
sy ho mpanapaka ny andro sy ny alina, ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4B0E2E4-8689-4B75-A90A-DBC9B85CD3CB
19
Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahefatra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E0C35AD-2DFF-49B8-8508-37ABB6EDFB0C
20
Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny rano ho be zava-manan-aina; ary aoka hisy vorona hanidina ambonin'ny tany eny amin'ny habakabaky ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0654FC4-DF33-4566-9498-79D5A9363886
21
Ary Andriamanitra nahary ny biby vaventy anaty rano sy ny zava-manan-aina mihetsiketsika rehetra, izay efa betsaka ao amin'ny rano, samy araka ny karazany avy, ary ny voro-manidina rehetra, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC1660D0-2E13-4FE0-9C8B-BE3858D73BC9
22
Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa anaka sy mihabetsaha ary mamenoa ny rano ao amin'ny ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eny ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C464CDBC-E588-4EE7-87E8-ACD247A87D9A
23
Dia nisy fa hariva, ary nisy maraina, andro fahadimy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28800FDF-1628-49B9-85FB-FAE66FD8D801
24
Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany hamoaka zava-manan-aina samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady sy mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany avy; dia nisy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CA4F19A-7DF5-42B4-81B0-BCE2A550D926
25
Ary Andriamanitra nanao ny bibi-dia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A29F2869-215C-47A9-91CE-7B9ABB55524E
26
Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A65ED509-4945-40E7-8676-B6434527C184
27
Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32AF3CC8-CB4B-4218-8F72-747C4E2B1158
28
Ary Andriamanitra nitso-rano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voromanidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A191A8BA-494F-496C-8B26-5634406F76B2
29
Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AFE844E-43F5-4CF7-B589-F746CF384F25
30
Ary ny amin'ny bibi-dia rehetra sy ny voromanidina rehetra ary ny zava-manan-aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia efa nomeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|515FD884-21B8-46B4-A314-6DCBCE8BC198
31
Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA01DDD0-0434-4503-901A-1F447974154B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany