Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY hoy Jehovah tamin'i Abrama: Mandehana miala amin'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85040BE9-CCE1-4C30-B709-44A49CA01685
2
dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa hianao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11672812-82F6-4FDD-98FF-01D24D036725
3
ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9148786-53A2-4592-9136-A52C5A813319
4
Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFF79814-75A7-4894-B269-64F7DB2B24D5
5
Ary Abrama nitondra an'i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin'ny fananan'izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin'ny tany Kanana, ka tonga tany amin'ny tany Kanana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9019AB7-A1D9-49B6-9069-2DAAB145677A
6
Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema, dia tao an-kazo terebintan'i More. Ary ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B29D0619-D297-4750-BCD4-F319ED21ED09
7
Ary Jehova niseho tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an'i Jehovah Izay niseho taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EB6C46F-AC38-4FEB-A61D-CE936A78F222
8
Ary nifindra niala teo izy hankany amin'ny tendrombohitra atsinanan'i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan'i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an'i Jehovah izy ka niantso ny anaran'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|437654BD-87D3-41DB-8D88-BC5D91C34BBB
9
Ary nifindra Abrama ka nandroso niandalana ho any amin'ny tany atsimo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62829A26-97F2-4BFE-9A9B-E712A7607AE2
10
Ary nisy mosary teo amin'ny tany; ary Abrama dia nidina nankany Egypta hivahiny any, fa mafy ny mosary teo amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1108E753-5A7C-4B0A-975E-819A4435F58C
11
Ary rehefa nadiva ho tonga tany Egypta izy, dia hoy izy tamin'i Saray vadiny: Indro, fantatro fa vehivavy tsara tarehy hianao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C13BC38-F34C-41A8-896A-6EA02865A112
12
ka, raha hitan'ny Egyptiana, dia hataony hoe: Vadiny io; ka hovonoiny aho, fa hianao kosa hovelominy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D716CB2F-666C-46FE-9055-CE387EE39F98
13
Masina hianao, lazao fa anabaviko hianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka hianao no hamelomany ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83275F04-DBF8-475C-82D9-5450724E1772
14
Ary rehefa tonga tany Egypta Abrama, dia hitan'ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra ravehivavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67772C57-5750-48F0-B189-88B5D0A2C60C
15
Ary nahita azy ny tandapan'i Farao ka nidera azy tamin'i Farao; dia nentina tao an-tranon'i Farao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44B3E9CE-348D-436A-ACA8-5F8C28854750
16
Ary Abrama nasian'i Farao soa noho ny amin'i Saray; dia nahazo ondry sy omby sy borikilahy sy andevolahy sy andevovavy sy borikivavy sy rameva izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C369DB36-CA45-4CB7-88B2-15C6CCF0BBE6
17
Dia nasian'i Jehovah areti-mandoza Farao sy ny ankohonany noho ny amm'i Saray, vadin'i Abrama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13E48359-585F-404A-BC77-04A331842D08
18
Ary Farao dia nampaka an'i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5331C67C-935B-41AC-8884-A776A581AF6E
19
Nahoana hianao no nanao hoe: Anabaviko izy? ka nalaiko ho vady izy; koa ankehitriny, indro ny vadinao, ento izy, ka mandehana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79D14920-6F89-45CB-864E-100750DB5FC0
20
Dia nomen'i Farao teny ny mpanompony sasany ny amin'i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BA4D67D-2F45-41B9-BFED-61F2E7ADDFB4
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany