Andininy Protestanta Malagasy 1 REHEFA afaka izany, dia tonga tamin'i Abrama ny tenin'i Jehovah tamin'ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7E0AC6C-C69A-4C3E-B73D-A2EFA9958970 2 Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon'ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F3C8A0B-5603-484B-8306-9C421851C553 3 Ary hoy koa Abrama: Indro, izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin'ny ato an-tranoko no handova ahy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D27B5E9-BEDF-4D26-A431-0BD45A9A971B 4 Ary, indro, ny tenin'i Jehovah tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B15E7DC0-820D-4BDA-92C3-04DA5287B020 5 Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan'ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy hianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF030279-1707-4737-B06A-BCE162A07119 6 Ary nino an'i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB6CB077-B9CD-4A95-8926-921AFE1176FB 7 Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7228CC30-BAB4-4C74-8D06-BDFF66644495 8 Ary hoy Izy: Jehovah Tompo ô, ahoana no hahafantarako fa handova ity aho? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23F24C4C-CC54-4262-9AB2-6BA72814DE88 9 Ary hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E919669-C81F-405B-BF2B-403E5C5B2BD2 10 Dia nentiny teo aminy izany rehetra izany; ary nosasahiny ireny, ka nampifanandrifiny avy ny tapany; fa ny vorona tsy mba nosasahiny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23F3CE3E-237D-41E3-AC03-87D5BEED7C17 11 Ary nidina teo amin'ny fatin'ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E9B7D79-0A5B-49D0-9209-D6BE43A596CF 12 Ary rehefa hilentika ny masoandro, dia sondriantory Abrama; ary, indro, aizina mahatsiravina indrindra no nahazo azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A5DB9AE-62F7-44A6-81BA-707BFF8C139F 13 Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin'ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AD7F202-4D55-4C8B-A8C7-55244036841A 14 Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1262237-C91C-4C9A-BD0E-84CCD1A23E16 15 Nefa hianao kosa ho any amin'ny razanao amin'ny fiadanana; ho tratrantitra indrindra hianao vao hodi-mandry. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|439988DB-18F9-4603-B247-4C2795D2A2B3 16 Fa raha mby amin'ny zafiafy, dia hiverina aty izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|874D2A58-DA8A-4845-ACBA-40DB61A06D83
|