Andininy
Protestanta Malagasy
13
Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin'ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AD7F202-4D55-4C8B-A8C7-55244036841A
14
Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1262237-C91C-4C9A-BD0E-84CCD1A23E16
15
Nefa hianao kosa ho any amin'ny razanao amin'ny fiadanana; ho tratrantitra indrindra hianao vao hodi-mandry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|439988DB-18F9-4603-B247-4C2795D2A2B3
16
Fa raha mby amin'ny zafiafy, dia hiverina aty izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|874D2A58-DA8A-4845-ACBA-40DB61A06D83
17
Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan'ireo zavatra voasasaka ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FE6D44C-60FB-4906-802B-B4D6ABF7D3E3
18
Tamin'izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin'ny onin'i Egypta ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27E129E8-DA79-40E4-88DD-B57CF2F8B227
19
dia ny Kenita sy ny Kenizita sy ny Kadmonita
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|002A699C-3F85-4D53-B1CE-97D0A59EA38A
20
ary ny Hetita sy ny Perizita sy ny Refaita
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E56E95BB-FF0F-45CD-BF19-5648F2F9C861
21
ary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2280FB0-A8FC-492F-B836-4A7F7F3DA014
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany