Andininy
Protestanta Malagasy
15
Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65C34427-CA18-4184-8DC0-5BE2116C89EE
16
Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-ralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A80F17C0-F3D5-4602-BE1D-CF7F6097A45D
17
fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F57A25F-F68E-4A6E-A336-08F7BD74A2F2
18
Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08F867D5-2BEA-4EBB-9FF6-CD039D76BBCB
19
Ary tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan-aina rehetra, dia izany no anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDC51A31-2CF5-4E5A-B88A-CC329B61C6F6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany