Andininy
Protestanta Malagasy
18
Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08F867D5-2BEA-4EBB-9FF6-CD039D76BBCB
19
Ary tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan-aina rehetra, dia izany no anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDC51A31-2CF5-4E5A-B88A-CC329B61C6F6
20
Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin'ny bidi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE5FD2C4-BD5D-4568-9AD5-D0C903B389BC
21
Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31E41FCA-AA57-4319-85B7-D8F39CDDD8ED
22
Ary ny taolan-tehezana izay nalain'i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|204C0186-45C5-4404-B5B6-E5B66B4BD66C
23
Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A384CA35-5A3F-4138-9215-3483B24806A8
24
Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35EC7379-25A1-4A4A-A7C9-CAAB251F0741
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany