Andininy
Protestanta Malagasy
7
Ary vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F377C90-D9C1-4B93-84FF-2E91FF3B1C5B
8
Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AAD6A1A-452B-4958-87B2-8ACEF046D982
9
Ary nampanirin'i Jehovah Andriamanitra teo amin'ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon'aina teo afovoan'ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D30E616B-B48B-4FEC-8AA3-57A5EB31E60F
10
Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9831DB0B-0614-4E67-9F16-53C35612D093
11
Ny anaran'ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9B8BDD6-5B0A-4ABB-836F-6597A3FD0B6B
12
ary tsara ny volamena amin'izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44536F86-EA6E-4ECE-B6D5-374325288E27
13
Ary ny anaran'ny ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C2177CB-9BF5-4628-8961-72C4831DE2C6
14
Ary ny anaran'ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin'i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDEA20EF-C27E-4DAC-950E-6743FE54409A
15
Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65C34427-CA18-4184-8DC0-5BE2116C89EE
16
Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-ralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A80F17C0-F3D5-4602-BE1D-CF7F6097A45D
17
fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F57A25F-F68E-4A6E-A336-08F7BD74A2F2
18
Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08F867D5-2BEA-4EBB-9FF6-CD039D76BBCB
19
Ary tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan-aina rehetra, dia izany no anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDC51A31-2CF5-4E5A-B88A-CC329B61C6F6
20
Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin'ny bidi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE5FD2C4-BD5D-4568-9AD5-D0C903B389BC
21
Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31E41FCA-AA57-4319-85B7-D8F39CDDD8ED
22
Ary ny taolan-tehezana izay nalain'i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|204C0186-45C5-4404-B5B6-E5B66B4BD66C
23
Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A384CA35-5A3F-4138-9215-3483B24806A8
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany