Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY rehefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan'Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! ary hoy izy; Inty aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DCA296E-A57F-42DA-B7D8-56033BE5ECFD
2
Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin'ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin'ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|968678EB-0AFF-4B18-A36E-DBA1F5E7750F
3
Ary nifoha maraina koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana izy dia niainga ka nankany amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35F80C1F-CD86-45DC-8E41-5F53D96CD90E
4
Nony tamin'ny andro fahatelo Abrahama dia nanopy ny masony ka nahatazana ny tany tery lavitra ery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07C49623-DC49-4D28-9F31-9202B59FB2B5
5
Ary hoy Abrahama tamin'ny zatovony: Mijanôna eto amin'ny boriky hianareo, fa izaho sy ny zazalahy handeha hankery; ary hivavaka izahay dia hiverina eto aminareo indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|727AB4E3-69EF-4C3F-B666-BF5DF3015C1C
6
Dia nalain'i Abrahama ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana ka natataony an'Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DD66D13-2C7B-4C79-B193-CE0AABDC2F0A
7
Ary Isaka niteny tamin'i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho, anaka. Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B51B9D96-C160-4220-971B-F30870CAED4B
8
Fa hoy Abrahama: Anaka. Anariamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana; dia niara-nandeha izy mianaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27D83344-E439-4F42-B909-2D3B1A8E0866
9
Ary rehefa tonga teo amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an'i Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin'ny alitara teo ambonin'ny kitay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF9C0632-8AD7-4138-B1F6-0B6696B75D45
10
Ary Abrahama naninjitra ny tànany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|492A1BA9-D095-4E74-A229-16B830E74DF1
11
Fa niantso azy Ilay Anjelin'i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô ary hoy kosa izy: Inty aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0FA55D9-B00A-4977-B28A-79A52124661C
12
Dia hoy Izy: Aza maninjitra ny tànanao amin'ny zazalahy, ary aza maninona azy akory hianao; fa hitako izao fa matahotra an'Andriamanitra hianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A6D3162-CAE5-4775-BB4A-E639C1D2D6A9
13
Ary Abrahama niherika nijery ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon'ny zanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FBD1A65-859D-4F60-9C1A-AEADF25205BA
14
Ary ny anaran'izany tany izany dia nataon'i Abrahama hoe Jehovah-jire; dia izany no anaovana mandraka ankehitriny ny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7173AE72-5D43-4F97-BD3D-8D9A7EBD62F4
15
Dia niantso an'i Abrahama fanindroany tany an-danitra Ilay Anjelin'i Jehovah
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E025DD8F-2713-425C-8FAE-D5B620828F82
16
ka nanao hoe: Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah: Satria nanao izany zavatra izany hianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8DE0A48-B542-4A05-9F62-96BC0A69F539
17
dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin'ny fahavalony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC102F5E-ECC4-4610-83E1-F4B1686B642F
18
ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany, satria nanaiky ny teniko hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E1A35AD-EB35-4EB7-A0B8-B742E8FFC8E4
19
Ary Abrahama dia niverina nankeny amin'ny zatovony; dia niainga izy ka niaraka nankany Beri-sheba; ary Abrahama dia nonina tany Beri-sheba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31DAFC94-FDDB-46B2-B38E-4034C5AF6929
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany