Andininy Protestanta Malagasy 1 ARY Abrahama dia efa zokiolona sady nandroso fahanterana; ary Jehovah efa nitahy an'i Abrahama tamin'ny zavatra rehetra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D279068-3FF6-43A8-AC96-F0F6BDFC697A 2 Ary hoy Abrahama tamin'i1ay lehiben'ny mpanompony tao an-tranony, izay mpanapaka ny nananany rehetra: Mba ataovy ato ambanin'ny feko ny tànanao; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCB6DF85-99F4-4A18-BC28-0E6CDEDBD251 3 fa hampianianiko amin'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, hianao, fa tsy haka vady ho an'ny zanako avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita izay iraisako monina hianao; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C69F2E9-61E9-4DB6-BBA3-9DDAE4298CCB 4 fa any amin'ny tanin-drazako sy amin'ny havako no halehanao haka vady ho an'Isaka zanako. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D128B51D-9B4D-45CA-812C-2D5D5D071749 5 Ary hoy i1ay mpanompony taminy: Angamba tsy hety hiaraka amiko ho amin'ity tany ity ny vehivavy; moa tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina ho any amin'ny tany izay nialanao va aho? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0F52119-6F52-4738-93B0-B88EAED20469 6 Ary hoy Abrahama taminy: Tandremo mba tsy ho entinao miverina any ny zanako. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96B72A26-066F-4D59-AB3C-818BFEAF1D42 7 Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Izay naka ahy niala tamin'ny tranon'ny raiko sy tamin'ny tany nahaterahako, sady niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity, dia Izy no haniraka Ilay Anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an'ny zanako. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6607B236-D7AC-4B6E-9CDD-0C5737DE7B2C 8 Ary raha tsy hety hiaraka aminao ny vehivavy, dia ho afaka amin'izao fampianianako anao izao hianao; fa izao ihany: aza entinao miverina any mihitsy ny zanako qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E9FD50D-DD1E-4B81-BF66-EAC797BF2BDF 9 Ary nataon'i1ay mpanompo tambanin'ny fen'i Abrahama tompony ny tanàny, ka nianiana taminy ny amin'izany zavatra izany izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B236F3CC-D152-446F-94AC-C29D863580D0 10 Ary ilay mpanompo naka rameva folo tamin'ny ramevan'ny tompony ka lasa, ary izay zava-tsoa nananan'ny tompony dia samy nitondrany avokoa; dia nandeha izy ka nankany Mesopotamia ho any an-tanànan'i Nahora. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6AC6606-7946-4A5F-9378-6B39411C696F 11 Ary nampandohalehiny teo ivelan'ny tanàna tanilan'ny lavaka fantsakan-drano ny rameva, rehefa harivariva ny andro, dia tamin'ilay fandehanan'ny vehivavy mpantsaka iny qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|246A5D80-C0AC-4C77-A80F-F6E2913CA264 12 Dia hoy izy: Jehovah ô, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, ambino aho anio, ary asio soa Abrahama tompoko. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67F15ADF-AC3B-433D-B3AB-6F66F16138F3 13 Indro, mijanona eto anilan'ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin'ny mponina ao an-tanàna mivoaka hantsaka rano; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF1F8C5E-0925-418E-9B63-F87091AB38B5 14 koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba areho kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho: dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an'Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBD00782-28B7-4212-84E0-C04A3DB1356C 15 Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak'i Betoela, zanakalahin'i Milka, vadin'i Nahpra, rahalahin'i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57956FA9-1E08-495E-925E-DA12C4A16B92 16 Ary ilay zazavavy dia tsara tarehy indrindra sady virijina, ka tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy; ary nidina nankeo amin'ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2734887-1794-465C-87C8-B00B6E600C73 17 Ary ilay mpanompo dia nihazakazaka nitsena azy ka nanao taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin'ny sininao aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C083093-3E00-4632-8B74-2F595A9A4212 18 Ary hoy razazavavy: Misotroa, tompokolahy; dia nampidininy faingana ny sininy ho eo an-tànany, ka nampisotroiny ralehilahy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26F83176-E814-43D5-89ED-1CE13FADC7A2 19 Ary rehefa nampisotro azy izy, dia hoy koa izy: Ny ramevanao koa andeha hantsakako hosotroiny ambara-pahatapiny misotro. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D72A6083-FB24-43D3-8A25-ACF4CB5A564A 20 Ary dia naidiny faingana ny rano teo an-tsininy ho eo amin'ny tavy fisotroana, dia nihazakazaka indray izy nankeo amin'ny lavaka fantsakana hantsaka; ary nantsaka ho an'ny ramevany rehetra izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD3B0CCA-274E-413C-A0F9-3848998EE503 21 Ary ralehilahy nandinika azy tsara sady nangina, mba hahafantarany na efa nambinin'i Jehovah ny nalehany, na tsia. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2F584F9-0126-43CA-A979-C3E3D2C81E01 22 Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin'orona volamena iray, lanjan'ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan'ny sekely folo, hatao amin'ny tànany; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FAA277B-04DC-45CC-A41B-619F3969CF5C 23 ary hoy izy: Zanajovy moa hianao ? Mba lazao amiko. Ary moa misy azonay handriana va ao an-tranon'ny rainao? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|521655A3-411A-4E6F-ADBD-5D477D3514DD 24 Ary hoy izy taminy: Zanakavavin'i Betoe1a, zanakalahin'i Milka, izay naterany tamin'i Nahora, aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEA35DD4-41A2-47B1-AAB8-04B048C3B378 25 Ary hoy koa izy taminy: Na ny mololo na ny vilona, dia samy betsaka ao aminay, sady misy trano handrianareo koa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D45A3CAE-3D3E-4915-BC14-23756C5AD681 26 Dia niondrika ralehilahy ka niankohoka teo antrehan'i Jehovah, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA34692F-49AE-4D38-A491-99F30689603E 27 ary nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny famindrampony sy ny fahamarinany tamin'ny tompoko; fa izaho dia notantanan'i Jehovah teny an-dàlana ho aty an-tranon'ny havan'ny tompoko. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C40CCDF-6C73-42CD-B53A-BEEB95B2077D 28 Dia lasa nihazakazaka razazavavy ka nanambara araka izany teny izany tamin'ny tao an-tranon'ny reniny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0053434-EC7F-4218-87D3-C1215A912C8E 29 Ary Rebeka nanana anadahy, Labana no anarany; dia nihazakazaka Labana nankeo amin-dralehilahy teo ivelany, teo am-pantsakana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E76D375-F309-4050-8CA3-4CCB59BF7910 30 Ary rehefa hitany ny kavin'orona sy ny haba teny an-tànan 'ny anabaviny, sady efa reny ny tenin-dRebeka anabaviny nanao hoe: Izany no nolazain-dralehilahy tamiko,dia nankeo amin-dralehilahy izy; ary, indro, mbola nijanona teo ani1an'ny rameva teo am-pantsakana ralehilahy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|612FC2FC-19E2-4CAE-9BEB-D37A3ADFD919 31 Ary hoy Labana: Miakara. ry ilay notahin'i Jehovah; nahoana no mijanona eto ivelany hianao? fa izaho efa namboatra ny trano sy izay hitoeran'ny rameva. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B7D3365-EE28-4AB7-8A0C-68487A472373 32 Dia niditra tao an-trano ralehilahy; ary Labana dia namaha ny entana tamin'ny rameva ka nanome mololo sy vilona ho an'ny rameva ary rano hanasana ny tongo-dralehilahy sy ny tongotry ny olona izay nomba azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8478387F-8C34-4AE6-9430-64F57A42153A 33 Dia nandroso hanina teo anoloany izy; fa hoy ralehi1ahy: Tsy mbola hihinana aho, raha tsy efa voalazako ny raharahako. Ary hoy izy: Lazao ary! qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C73295B0-8FCD-4840-B2F1-B38613743042 34 Dia hoy ralehilahy: Mpanompon'i Abrahama aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2A13E3A-BF1F-4637-9EFD-2745CB051BAC 35 Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy ondry aman-osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7864DAB8-A367-4C31-A11F-D40817ED0777 36 Ary rehefa antitra Saraha, vadin'ny tompoko, dia niteraka zazalahy tamin'ny tompoko izy; ary efa natolotry ny tompoko ho an'ny zanany izay rehetra ananany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|322EA89E-6A99-4F2A-87F4-9201042AF799 37 Ary efa nampianiana ahy ny tompoko ka nanao hoe: Aza maka vady ho an'ny zanako avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita, izay iraisako monina; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63C6E727-8D17-4357-91D0-D403ABECEAB9 38 fa any amin'ny tranon'ikaky sy any amin'ny havako no halehanao ka hakanao vady any ho an'ny zanako. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|868D21CB-10CE-4B49-BDAE-5B9AB2C865E1 39 Ary izaho namaly ny tompoko hoe: Angamba tsy hety hiaraka amiko ny vehivavy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C912FE93-6D42-43B8-81ED-A1A54361A280 40 Ary hoy izy tamiko: Jehovah, Izay andehanako eo anatrehany, dia haniraka Ilay Anjeliny homba anao sy hanambina ny alehanao, ary hianao haka vady ho an'ny zanako avy amin'ny havako sy amin'ny tranon'ikaky. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEDFD688-AA25-43B7-92D1-92740F076371 41 Dia ho afaka amin'ny fampianianako anao hianao, raha tonga any amin'ny havako; ary raha tsy manome anao ry zareo, dia ho afaka amin'ny fampianianako anao koa hianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4918238F-0BA9-4776-BDD9-70DF5335597E 42 Ary tonga andro-any teo amin'ny fantsakana aho, ka hoy izaho: Jehovah ô, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, raha hanambina ny alehako Hianao, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8211F21-ECF0-4A52-A2CC-F5FC08A8B58C 43 indro, mijanona eto anilan'ny fantsakana aho, koa izay zazavavy hivoaka hantsaka ka hilazako hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin'ny sininao aho, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DBF32FF-7290-4B18-AB7C-A731A84A9C65 44 ka hamaly hoe izy: Misotroa, ary hantsakako koa ny ramevanao: dia izy no aoka ho izay vehivavy voatendrin'i Jehovah ho an'ny zanakalahin'ny tompoko. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAB2E4D3-AFF1-42F5-949A-43BC90B90F47 45 Ary raha tsy mbola nitsahatra niteny anakampo aho, dia, indro, tamy Rebeka nilanja ny sininy teny an-tsorony, dia nidina nankeo amin'ny fantsakana izy ka nantsaka; ary hoy izaho taminy: Mba ampisotroy rano kely aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50CE135A-D57E-40F6-BDC2-6A5ED14A235B 46 Dia nampidininy faingana ny sininy hiala teo an-tsorony, ka hoy izy: Misotroa, ary hampisotroiko koa ny ramevanao; dia nisotro aho, ary nampisotro ny rameva koa izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25BBDCAD-B3A5-4E67-B779-C091AD339869 47 Dia nanontany azy aho ka nanao hoe: Zanajovy moa hianao? Ary hoy izy: Zanak'i Betoela, zanakalahin'i Nahora, aho, izay naterak'i Milka taminy. Dia nataoko teo anorony ny kavin'orona, ary ny haba teny amin'ny tànany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98FEB2F7-17EC-4D1B-B91D-B21A4BC1E351 48 Dia niondrika aho ka niankohoka teo anatrehan'i Jehovah, dia nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, Izay efa nitondra ahy tamin'ny làlana marina haka ny zanakavavin'ny rahalahin'ny tompoko, ho an'ny zanany qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CCFA9F4-6A7F-4AFB-94EE-39BF6E90F197 49 Koa ankehitriny, raha hanao izay soa sy marina amin'ny tompoko hianareo, dia lazao amiko; fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C2ADB89-572A-4E25-93B5-D33E815AA4B7 50 Dia namaly Labana sy Betoela ka nanao hoe: Avy tamin'i Jehovah no nisehoan'izany zavatra izany, ka tsy mahazo milaza teny aminao izahay, na ratsy na soa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26F2E127-520B-4000-BE36-0BE44612A07C 51 Indro, Rebeka eto anatrehanao, ento izy, ka mandehana; ary aoka ho vadin'ny zanaky ny tomponao izy, araka izay nolazain'i Jehovah. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|248F5C64-C7C1-4A20-8729-A3F2F2D8B7B9 52 Ary rehefa nandre ny tenin-dry zareo ilay mpanompon'i Abrahama, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Jehovah izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C432F017-87AD-48EB-B221-CDDF85EAC333 53 Ary ilay mpanompo dia namoaka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana, ka nomeny an-dRebeka; ary nomeny zava-tsoa koa ny anadahiny sy ny reniny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1FEB83A-F32F-4B2F-ADD1-F1A99DB8CB46 54 Dia vao izay no nihinana sy nisotro izy mbamin'ireo lehilahy izay nomba azy, dia nandry. Ary nifoha maraina izy ka nanao hoe: Alefaso ary aho handeha ho any amin'ny tompoko. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56CE3A72-35DE-43BF-BF84-D2DAFE5205E1 55 Ary hoy ny anadahin-dRebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra aty aminay andro vitsivitsy ny zazavavy, na dia hafoloana ihany aza; fa rehefa afaka izany, dia handeha izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3422E6D9-DC18-4FB5-A928-E66CED5CD6CF 56 Fa hoy ralehilahy taminy: Aza samponanareo aho, fa Jehovah efa nanambina ny alehako; alefaso aho mba hankany amin'ny tompoko. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18ADC8A9-2851-4CAC-B8F4-D3A12C1EAE4E 57 Ary hoy izy ireo: Aoka ary hantsoinay ny zazavavy, ka hanontanianay izay teniny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F139E0BE-A959-472A-B681-97E1B2D350D4 58 Dia niantso an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Handeha hiaraka amin'io lehilahy io va hianao? Ary hoy izy: Handeha aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5389F90B-74F0-4973-BE67-3AEED40A02DA 59 Dia namoaka an-dRebeka anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ilay mpanompon'i Abrahama mbamin'ny olony izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|559E50D5-3BCB-46B8-ACA0-95D63B97D0CD 60 Dia nitsodrano an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Ry anabavinay, tongava alinalina anie hianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny vavahadin'izay mankahala azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16FE351B-83A3-4A00-8D8B-40A51F69EFEB 61 Ary niainga Rebeka mbamin'ny ankizivaviny ka nitaingina ny rameva, dia nandeha niaraka tamin-dralehilahy; ary nitondra an-dRebeka ilay mpanompo ka lasa nandeha. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC523F4E-37CC-4439-85EE-A0C8E00D5F16 62 Ary Isaka efa tonga avy tamin'ny nalehany tany Bera-lahai-roy; fa nonina tany amin'ny tany atsimo izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27CEB02F-CF25-498B-B5B9-53BF01339334 63 Ary Isaka nivoaka mba hieritreritra any an-tsaha, rehefa nitehin-ko hariva ny andro; dia nanopy ny masony izy ka nahita fa indrery nisy rameva avy manatona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|771CBF94-7813-41BE-BAD8-5089E523D672 64 Ary Rebeka koa nanopy ny masony ka nahatazana an'Isaka; dia nidina faingana niala tamin'ny rameva izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|407C6532-38DF-4892-8EAB-571A0FEFA670 65 Ary hoy izy tamin'ilay mpanompo: Iza moa iry lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika iry? Ary hoy ilay mpanompo: Iny no tompoko, dia nandray ny fisalobonana Rebeka, ka nisalobonany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91831CC6-FB5E-4436-A79F-1E354C8D555F 66 Ary dia nambaran'ilay mpanompo tamin'Isaka ny zavatra rehetra izay efa nataony. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5657325-D8F5-429C-8FCF-99BDFF12699B 67 Ary Isaka dia nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain'i Saraha reniny ka nampakatra azy ho vadiny; ary tia azy izy, dia nionona ny alahelony an-dreniny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1DB660C-C31B-4EF8-9DEB-0C4D60E576F2
|