Andininy
Protestanta Malagasy
15
Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak'i Betoela, zanakalahin'i Milka, vadin'i Nahpra, rahalahin'i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57956FA9-1E08-495E-925E-DA12C4A16B92
16
Ary ilay zazavavy dia tsara tarehy indrindra sady virijina, ka tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy; ary nidina nankeo amin'ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2734887-1794-465C-87C8-B00B6E600C73
17
Ary ilay mpanompo dia nihazakazaka nitsena azy ka nanao taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin'ny sininao aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C083093-3E00-4632-8B74-2F595A9A4212
18
Ary hoy razazavavy: Misotroa, tompokolahy; dia nampidininy faingana ny sininy ho eo an-tànany, ka nampisotroiny ralehilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26F83176-E814-43D5-89ED-1CE13FADC7A2
19
Ary rehefa nampisotro azy izy, dia hoy koa izy: Ny ramevanao koa andeha hantsakako hosotroiny ambara-pahatapiny misotro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D72A6083-FB24-43D3-8A25-ACF4CB5A564A
20
Ary dia naidiny faingana ny rano teo an-tsininy ho eo amin'ny tavy fisotroana, dia nihazakazaka indray izy nankeo amin'ny lavaka fantsakana hantsaka; ary nantsaka ho an'ny ramevany rehetra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD3B0CCA-274E-413C-A0F9-3848998EE503
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany