Andininy
Protestanta Malagasy
22
Ary nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izao, nahoana re aho no dia mbola velona? Dia lasa nanontany tamin'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58EFD682-9532-4793-91D6-F61528712C91
23
Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1D624B9-F4EC-45FB-816E-1EBA672C64C2
24
Ary rehefa tonga ny andro hahaterahany, indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F76BD24-A4C0-4AC8-A7F0-EACF4A076FE9
25
Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E48D98A-8C52-4C61-8FA0-64FE9FD4D622
26
Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tànany nihazona ny ombelahin-tongotr'i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo taona Isaka tamin'ny niterahana azy mirahalahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AAF4CD3-6F6E-4343-AB5F-7FBBF4EF40EF
27
Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A475D4A9-1E82-4B13-A8C7-2C77A3B74DB8
28
Ary Isaka tia an'i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an'i Jakoba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02C3367E-102A-4DF0-A8E4-46E485BB8B81
29
Ary nahandro hanina Jakoba; ary sendra avy tany an-tsaha Esao ka reraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EDA3B93-7B17-4ED0-8596-14F157CCD114
30
Dia hoy Esao tamin'i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7F456DE-7F06-4A3B-9211-2294AD047B2C
31
Fa hoy Jakoba: Amidio amiko ary aloha ny fizokianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5045339-C70F-4102-B894-14901032D881
32
Dia hoy kosa Esao: Indro, ho faty ihany aho; ka mahasoa inona izay fizokiana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D21DCAF6-C5B3-4C02-9197-0CB1DF510B4F
33
Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko aloha. Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny tamin'i Jakoba ny fizokiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C1FF848-4403-4608-B322-D04F0AB4A09E
34
Ary Jakoba nanome an'i Esao mofo sy voanemba masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan'i Esao ny fizokiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B97B2202-44DF-447A-959A-72E3CF2DEFD4
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany