Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY rehefa antitra Isaka, ary pahina ny masony ka tsy nahita, dia niantso an'i Esao lahimatoany izy ka nanao taminy hoe: Anaka; ary hoy izy taminy kosa: Inty aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFB9BD76-39D8-4FD9-97AA-4DC62558923C
2
Ary hoy izy: Indro fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C5031EC-E1FC-4669-A7CE-4554355D8FEA
3
koa ankehitriny, masina hianao, alao ny fitifiranao dia ny tranon-jàna-tsipikanao sy ny tsipikanao, ary mankanesa any an-tsaha, ka ihazao aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95405659-CB1E-410A-903C-78D0FD02D3E2
4
ary anaovy hanim-py aho araka ilay tiako, ka ento aty amiko hohaniko, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao, dieny tsy mbola maty aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19493247-0E7D-4044-A297-A91AFA586786
5
Ary Rebeka nandre an'Isaka niteny tamin'i Esao zanani-lahy. Ary dia lasa nankany an-tsaha Esao nitady haza ho entiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADD8C7A2-2BC0-4B01-93C6-295D715627B2
6
Ary Rebeka niteny tamin'i Jakoba zananilahy ka nanao hoe: Indro, efa reko ny rainao niteny tamin'i Esao rahalahinao nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00426D31-D544-41B0-83D0-CF23CA14B543
7
Ihazao aho, ka anaovy hanim-py hohaniko; dia hitso-drano anao aho eo anatrehan'i Jehovah, dieny tsy mbola maty aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|635A0530-2385-49B4-9F57-D30C2CA901E9
8
Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko amin'izay asaiko ataonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12F64069-844D-4770-955B-E2B14A365075
9
Mankanesa kely any amin'ny ondry aman-osy, ka analao zanak'osy roa tsara aho; dia hataoko hanim-py ho an'ny rainao araka ilay tiany izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FB0AB87-FC0C-4C08-90CA-56D6284ABEB8
10
ary dia ho entinao any amin'ny rainao hohaniny, mba hitsofany rano anao, dieny tsy mbola maty izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2055AE3C-D0B0-4666-B9A9-28BF007ECFB4
11
Fa hoy Jakoba tamin-dRebeka reniny: Indro, Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, fa izaho lehilahy malambo hoditra kosa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|867F7D5E-8C91-4CC6-A107-A503E9F29091
12
ary angamba hitsapa ahy ikaky, dia ho toy ny mpanandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona amiko, fa tsy tso-drano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A994F897-3159-4333-8061-E3684A3264EA
13
Ary hoy ny reniny taminy: Aoka ho ahy ihany anaka, ny ozona ho anao; araho ihany ny teniko, ka mandehana, itondray aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E450EC5C-5356-439C-AE92-685CB821F54E
14
Dia nandeha izy ka naka, ary nitondra tao amin'ny reniny; ary ny reniny kosa dia nanao hanim-py araka ilay tian'ny rainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA1BCA45-7E6A-458D-8830-892736CCBCD4
15
Ary nalain-dRebeka ny fitafian'i Esao lahimatoany, dia ny tsara izay efa notehiriziny tao an-trano, ka nampitafiny an'i Jakoba zanany faralahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F57151FD-B38A-45FD-8CC1-FEBCC1A7A954
16
Ary ny hoditry ny zanak'osy dia nafonony ny tànany sy ny malambolambo amin'ny vozony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6B30F90-53AB-4891-B781-BF2054EE3103
17
dia natolony teo an-tànan'i Jakoba zanany ny hanim-py sy ny mofo izay efa namboariny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D19E88B-3D20-435C-9B01-26778EE125F8
18
Ary Jakoba nankany amin'ny rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! ary hoy kosa izy: Inty aho; iza moa hianao, anaka?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E36813C-B952-4542-B168-56126FC2C09C
19
Ary hoy Jakoba tamin-drainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanao araka izay nasainao nataoko aho; masina hianao, miarena, dia mipetraha, ka hano ny hazako, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|308755F7-14E4-40A6-BF88-C05D9959BDF1
20
Ary hoy Isaka tamin'ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany hianao? Ary hoy izy: Satria Jehovah Andriamanitrao no nampahazo ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77495D17-93B4-488F-90E6-83CBF7CCB171
21
Ary hoy Isaka tamin'i Jakoba; Mba manatona kely hoe hitsapako anao, anaka, hahafantarako na Esao zanako tokoa hianao, na tsia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CDEE487-4588-4F8F-A70F-AD160B261706
22
Ary Jakoba nanatona an'Isaka rainy, ary izy dia nitsapa azy ka nanao hoe: Ny feo dia feon'i Jakoba, fa ny tànana dia tànan'i Esao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5D06582-E04A-4D0C-8149-DA36AD13BB0A
23
Ary tsy nahafantatra azy izy, satria voloina tahaka ny tanan'i Esao rahalahiny ny tànany; dia notsofiny rano izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28AF32CD-ED98-43AC-80DB-2282D406AD86
24
Ary hoy izy: Hianao tokoa moa no Esao zanako? Dia hoy izy: Izaho no izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CA2E338-CC2D-47BD-821D-D33BF470A7C1
25
Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan'ny zanako hihinanako, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao. Ary dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy; ary nitondrany divay izy, dia nisotro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08F1A814-0943-48E5-8E52-D2B588AD5C26
26
Ary hoy Isaka rainy taminy: Mba manatona kely ka manoroha ahy, anaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25DA5B3A-EDC9-48C3-8C7E-522AA8A9B380
27
Dia nanatona izy ka nanoroka azy; ary Isaka nandre ny fofon'ny fitafiany, dia nitso-drano azy ka nanao hoe: E! ny fofon'ny zanako. Dia tahaka ny fofon'ny saha izay notahin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77060E80-65AE-4354-BA2D-0CA9118741D3
28
Ary hanomezan'Andriamanitra anao anie ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany, ary vary sy ranom-boaloboka betsaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69614926-9174-49AF-9C58-66C5DE1C8F42
29
Hanompo anao anie ny firenena maro, Ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho tompon'ny rahalahinao anie hianao, ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao. Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao, ary hohasoavina anie izay manisy soa anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E08D9F95-C008-4455-B36A-941C237A34E1
30
Ary rehefa vita ny nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba, ary vao nidify Jakoba teo anatrehan'Isaka rainy, dia niditra kosa Esao rahalahiny avy nihaza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D06DEDF-57BA-4059-83DB-2D6643EF9684
31
Ary izy koa nanao hanim-py ka nitondra azy tao amin'ny rainy; ary hoy izy tamin'ny rainy: Aoka hiarina ny raiko ka hihinana amin'ny hazan'ny zanany, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0748A7D-1C1A-4057-AA08-C545E1F17F46
32
Fa hoy Isaka rainy taminy: Iza indray moa hianao ? Ary hoy izy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16244FC1-5144-48FA-959A-06E8C65F17EC
33
Ary toran-kovitra indrindra Isaka ka nanao hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra teto amiko, ary efa nihinanako izany rehetra izany, fony tsy mbola tonga hianao, ka efa notsofiko rano izy; eny, hotahina tokoa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1704B415-8A39-4C0A-93A7-08927286E6B8
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany