Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Isaka nampaka an'i Jakoba ka nitso-drano azy ary namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57D7345E-F808-42DC-9D2F-AC84602D289D
2
Miainga ka mankanesa any Mesopotamia, any amin'ny tranon'i Betoela rain-dreninao; dia maka vady any, avy amin'ny zanakavavin'i Labana anadahindreninao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32A41F1D-8215-4E32-8BCE-2B875AF2447B
3
Ary Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao ka hahamaro fara anao sy hampitombo anao, mba ho tonga firenena maro hianao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|640A7621-8D9F-4D87-B2D8-913545220462
4
ary homeny anao anie ny fitahiana an'i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahinianao, izay efa nomen'Andriamanitra an'i Abrahama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04328189-E8B6-4557-A142-DA5B5C4A72B8
5
Ary Isaka nampandeha an'i Jakoba ka dia lasa izy nankany Mesopotamia, ho any amin'i Labana, zanak'i Betoela Syriana, anadahin-dRebeka, renin'i Jakoba sy Esao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B85C046-FB12-4D82-AEB6-742F5366AF63
6
Ary nony hitan'i Esao fa Isaka efa nitsodrano an'i Jakoba ka efa nampandeha azy ho any Mesopotamia haka vady any ary nitso-drano azy sady namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita hianao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3466DB2-4662-46B3-8861-263B936978CE
7
koa Jakoba efa nanaraka ny tenin'ny rainy aman-dreniny ka lasa nankany Mesopotamia;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|056B855D-20BC-42EA-8451-92487F2434A3
8
ary hitan'i Esao fa efa ratsy teo imason'Isaka rainy ny zanakavavin'ny Kananita:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29A7E906-B248-4A6C-89DB-76336E550989
9
dia lasa Esao nankany amin'Isimaela ka naka an'i Mahalota, zanakavavin'Isimaela, zanak'i Abrahama, sady anabavin'i Nebaiota, ho vadiny, ho fanampin'ny vady izay nananany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D0AD135-7A2A-4390-AB75-D62D5E76A7BC
10
DIA nivoaka avy tany Beri-sheba Jakoba ka nankany Harana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|726818F5-2E33-428B-A989-B8B08CC3EBB2
11
Ary tonga teo amin'ny fitoerana anankiray izy ka nandry teo niloaka alina, satria efa maty ny masoandro; dia naka vato tamin'izany fitoerana izany izy, ka nataony ondana, dia nandry teo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2545E93E-40B6-46D0-825B-49886DD103F5
12
Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin'ny tany, ka nipaka tamin'ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0A31551-BE32-45CA-A6B2-08AF6AFEB64E
13
Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama rainao sy Andriamanitr'Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2549246-3FAA-4F1D-8588-F3B84F277028
14
ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin'ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo hianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27D4D9FE-DC23-4D6C-BBAA-30F5260AED5A
15
Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin'izay làlan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin'ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandrapanaoko izay voalazako taminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A73CD8FB-9A1F-42F6-995B-5D3FDC555538
16
Ary Jakoba nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao hoe: Ato amin'ity fitoerana ity tokoa Jehovah, fa izaho no tsy nahalala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9EA4E4F-8FD2-4570-AE25-94D1654FF9CA
17
Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe: Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity, fa tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56161039-68C2-4D03-A5FA-39F988ED25B1
18
Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangam-bato, dia nampidina diloilo teo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42DB207E-2D80-4404-8D88-9F56B209905B
19
Ary ny anaran'izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran'ilay tanàna tany aloha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BBAAAFF-AD56-4044-9953-EDC35A0B3A37
20
Dia nivoady Jakoba ka nanao hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin'izao làlana alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy lamba hitafiako,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9926047-E174-4F29-8974-44F1B3A24B6C
21
ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin'ny tranon'ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E1D7029-D150-4BED-A60E-9D9BCE812CC6
22
ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon'Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8864F03-31A5-486C-948E-6827DDACBDB6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany