Andininy Protestanta Malagasy 1 DIA niainga Jakoba ka nankany amin'ny tanin'ny zanaky ny atsinanana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|805AB695-D69D-4DA0-9245-473E2EF1C309 2 Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman-osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin'izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan'ny olona ny andian'ny ondry aman-osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan'ny fantsakana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86051C30-81B1-4156-9016-4624FA3EFECF 3 Ary nangonina teo ny andian'ny ondry aman-osy rehetra, dia nakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman-osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan'ny lavaka fantsakana ho amin'ny fitoerany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|917D42BF-9FF8-45CB-85F0-23788A15FB53 4 Ary hoy Jakoba tamin'ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa hianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A594BDE2-6C50-4AA3-BEEF-1AC2F90645DB 5 Ary hoy izy taminy: Moa mba fantatrareo va Labana, zanakalahin'i Nahora? Dia hoy izy: Fantatray ihany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F121AB42-C5F6-4736-AA3D-D2A66F75FBB9 6 Ary hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely zanani-vavy mitondra ny ondry aman-osy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0E687E5-699F-41A6-979A-6125625CB080 7 Ary hoy izy: Indro, mbola antoandrobe ny andro, ka tsy mbola mby amin'ny fotoana famoriana ny omby aman-ondry; ampisotroy ny ondry aman-osy, dia andeha, andraso. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10F7642A-1914-4279-BA42-9B3D7B12C665 8 Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian'ny ondry aman-osy rehetra, ka hakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman-osy izahay. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FDC91B9-20C1-4864-9135-B9264958C474 9 Raha mbola niteny taminy izy; dia, indro, tamy Rahely nitondra ny ondry aman-osindrainy; fa mpiandry ondry izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13397361-4449-4FB7-A313-647D87B3A7B5 10 Ary rehefa hitan'i Jakoba Rahely, zanakavavin'i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman-osin'i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman-osin'i Labana anadahin-dreniny izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CAD0850B-C7E0-4251-B4D2-983642EFF043 11 Ary Jakoba nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C2BCE10-5DDD-403D-9AA0-9DE98490B1EC 12 Dia nambaran'i Jakoba tamin-dRahe]y fa havan-drainy sy zana-dRebeka izy; dia nihazakazaka Rahely nanambara izany tamin-drainy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E853CC2D-0732-4013-95E8-079C22513872 13 Ary rehefa ren'i Labana ny filazany an'i Jakoba, zanak'anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran'i Jakoba tamin'i Labana izany rehetra izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1A7A21B-22EC-4166-88FE-8A539DFC63A6 14 Ary hoy Labana taminy: Taolako sy nofoko tokoa hianao. Ary rehefa nitoetra tao aminy andro iray volana Jakoba, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF278F06-6E97-4D11-B774-12F609E60713 15 dia hoy Labana taminy: Moa na dia rahalahiko aza hianao, dia hanompo ahy maina va ? Lazao amiko izay ho karamanao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9A38DBE-3A90-42B5-865F-65E8CE015E8A 16 Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran'ny zokiny, ary Rahely no anaran'ny zandriny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|299AE4F2-FC9C-499E-A512-6F24928718DE 17 Ary Lea nalemy maso; fa Rahely bikana sady tsara tarehy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4C945D8-A975-4F33-A2E5-5B0ECEEA7D95 18 Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|054E4C0A-F5F6-4AE9-920C-2E93C86E35A0 19 Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36C4088E-4538-4173-AC3C-FDC732CBED10 20 Dia nanompo an'i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C97B537E-E573-4C26-AAA8-DEDB52900F8B 21 Ary hoy Jakoba tamin'i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr'androko. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EFB2033-A152-4615-89E4-D79227DD0DBC 22 Ary nampamory ny tompon-tany rehetra Labana ka nanao fanasana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|987DB5BA-9B35-4B05-B6D2-33527747F60E 23 Kanjo nony hariva dia naka an'i Lea zanani-vavy izy ka nitondra azy ho any amin'i Jakoba; dia nanambady azy Jakoba. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E9FBD01-B761-4AB4-A2AA-F82EBBECCEED 24 Ary nomen'i Labana an'i Lea zanani-vavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22E48E4F-932A-462F-A924-E1DC8CF81E03 25 Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? ka nahoana no nofitahinao aho? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C6399A8-DE3F-4F23-8F18-6B4952EB0C7E 26 Dia hoy Labana: Tsy fanao aty amin'ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan'ny zokiny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F58C5B5-2B56-4A71-9DD7-8C1929E06591 27 Tanteraho ny herinandron'ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FF680A3-3A8C-49A3-8B9A-253E25443657 28 Dia nataon'i Jakoba izany, ka notanterahiny ny herinandrony; dia nomen'i Labana azy koa Rahe]y zananivavy ho vadiny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49771984-34AB-4D4C-9D48-97468A0CB62D 29 Ary nomen'i Labana an-dRahely zanani-vavy kosa Bila ankizivaviny hanompo azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|854F9FCA-CC1F-481D-B172-47C2AD02A944 30 Dia novadin'i Jakoba koa Rahely; ary izy no tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo an'i Labana fito taona indray izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39F3A056-EB61-4D1B-B7D9-4F0D5F1E1E06
|