Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon'i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin'ny saha?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD740CF1-2369-4847-BC89-6C70F6B5D41B
2
Fa hoy ravehivavy tamin'ny menarana: Ny voan'ny hazo eo amin'ny saha dia azonay ihinanana ihany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA5522FD-A05B-41D9-96CE-4F4638E43A89
3
fa hy voan'ny hazo eo afovoan'ny saha kosa no efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza hihinanareo na tendrenareo izany, fandrao maty hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C386BABF-E0D8-4B5F-B069-AA4CACCFFF5D
4
Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory hianareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45FCA497-E1D0-4B10-8CC4-EBCD94C2E321
5
fa fantatr'Andriamanitra fa na amin'izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an'Andriamanitra hianareo, hahalala ny ny tsara sy ny ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C0531D9-0EBB-4EAE-BDD3-C8863ABF5142
6
Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny; ka dia nihinana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1A45274-8674-4712-84DB-F069410DE6A5
7
Dia nahiratra ny mason'izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin'aviavy izy, ka nataony sikina ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7856402C-DB7E-419B-A721-287C0FBAB7ED
8
Ary nandre an'i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin'ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan'i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin'ny saha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6332AC2-D114-4C0D-88AC-D0C8543EF23B
9
Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5C48499-81B2-430F-BA67-87625A270F1E
10
Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin'ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63C36B90-5EA8-4225-8CF6-57D8FD4110B3
11
Ary hoy Izy: Iza moa no nanambara taminao fa mitanjaka hianao? Efa nihinananao va ny hazo izay nandrarako anao tsy hihinananao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18128242-3E20-46F8-99AC-05D310AE6B02
12
Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6742C3B6-086D-496D-9BA2-F89DCD4940D9
13
Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy: Inona izao nataonao izao? Dia hoy ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E4D8A71-9782-4407-A127-B2AD4C173508
14
Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin'ny menarana: Satria nanao izany hianao, koa amin'ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia hianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin'ny andro rehetra hiainanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73B71B5F-CFD5-4C71-8002-669CFDA36979
15
Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50944B2B-4200-4D71-B0BD-901461621505
16
Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan-anaka hianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran'ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E99A633-64D1-4B5D-BE33-32895144A534
17
Ary hoy koa Izy tamin'i Adama: Satria efa nihaino ny feon'ny vadinao hianao, ka nihinananao ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin'ny andro rehetra hiainanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECC501A3-CF5C-4E0F-A603-151282E23E0A
18
Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy; ary hohaninao ny anana famboly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7306DE2-9D6E-4B43-8395-53C22734E9D6
19
Ny fahatsembohan'ny tavanao no hahazoanao hanina mandrapiverinao any amin'ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin'ny vovoka indray hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B798FCD-1884-4BFC-A0AD-D2AF69B34294
20
Ary ralehilahy nanao ny anaran'ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin'ny olombelona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|208DCC33-2FD2-4641-9306-2217A8A57C54
21
Ary Jehovah Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an'i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14319C1A-F4A0-4991-A941-35E60649556B
22
Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon'aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA1BA6A1-5ABB-413B-94AA-988879BD30B5
23
ka dia nesorin'i Jehovah Andriamanitra tamin'ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E121DE86-4D44-4C97-A282-33A512146406
24
Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan'ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon'ny sabatra mihebiheby hiambina ny làlana mankany amin'ny hazon'aina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|904A75D3-4ADA-417E-B5E6-7132042EBEAD
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany