Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jakoba dia nanopy ny masony ka nahatazana fa indro tamy Esao, mitondra efa-jato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho amin'i Lea sy Rahely ary ho amin'ny ankizivavy roa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73BAF889-1E30-4F91-BF09-1C451E5C174A
2
Ary nataony loha-làlana ny ankizivavy roa sy ny zanany, ary Lea sy ny zanany nanarakaraka, ary Rahely sy Josefa no vodi-làlana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|262DF0C9-B051-43E5-93D7-169661C18F90
3
Ary Jakoba nandeha teo alohan'izy rehetra ka niankohoka impito tamin'ny tany mandrapahatongany teo akaikin'ny rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28A6DFF4-ED4A-405C-B90B-5CC2E199E8F6
4
Dia nihazakazaka hitsena azy Esao, ary nisakambina ny tendany, dia namihina sy nanoroka azy; ary samy nitomany izy mirahalahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|648372AB-B55F-473C-9F05-A3A6C7493F4A
5
Ary Esao nanopy ny masony ka nahita ny zaza amim-behivavy; dia hoy izy: Iza moa ireto miaraka aminao ireto? Ary hoy kosa Jakoba: Ny zaza izay nomen'Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|251FC55F-0065-4BE2-B2DC-17940F122710
6
Dia nanatona ny ankizivavy sy ny zanany ka niankohoka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4651D872-FFF2-4BD3-B07B-553049E50CDD
7
Dia nanatona koa Lea sy ny zanany ka niankohoka; ary farany, dia nanatona koa Josefa sy Rahely ka niankohoka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6317F417-77E3-499C-BAF8-6000B86090BA
8
Ary hoy Esao: lnona moa no hevitr'ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Ary hoy izy: Mba hahitako fitia eto imason'itompokolahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5180A25A-EDF4-4E6A-B214-4F1AC338EBFF
9
Ary dia hoy Esao: Manam-be ihany aho, ry rahalahiko; aoka ihany ho anao ny anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40FFBC5A-3703-450E-AF49-4E96CA02B689
10
Ary hoy Jakoba: Trarantitra hianao, aza an'izany; raha mba mahita fitia eto imasonao aho, dia raiso amin'ny tànako ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao aho tahaka ny mahita ny tavan'Andriamanitra, ary efa sitrakao aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58EF357C-2BDA-4057-9108-7E8F83A6E96B
11
Trarantitra hianao, raiso re ny saotro izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka manam-be aho. Dia nanery azy izy, ka dia noraisiny ihany ny zavatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31115C3B-AE6A-4D54-B6D0-CE5A39EF13FA
12
Ary hoy Esao: Aoka hiainga isika, ka handeha hialoha anao aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|273A15D3-4521-4774-A708-2C6A2F361659
13
Fa hoy Jakoba taminy: Fantatr'itompokolahy fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman-osy sy ny omby ato amiko; koa raha hokorodonina indray andro aza ireo, dia ho faty avokoa ny ondry aman-osy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48151F37-3DEC-4A1B-913C-9DA8DE4898AE
14
Trarantitra hianao, aoka itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho handeha miadana araka izay dian'ny omby aman-ondry, izay ho eo alohako, sy ny dian'ny zaza, mandra-pahatongako any amin'itompokolahy any Seira.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD753FFF-E6FF-426A-B541-F4B160C3B32F
15
Ary hoy Esao: Masìna hianao, aoka ary mba hamelako hiaraka aminao ny olona izay momba ahy. Fa hoy Jakoba: Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eto imason'itompokolahy aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19CF4EA6-C3FF-473B-8161-883C57D90DC1
16
Dia niverina androtrizay Esao tamin'ny làlany ho any Seira.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C19A1D2-EB8D-45F3-9105-615B71E89942
17
Ary Jakoba nifindra nankany Sokota ka nanao trano ho azy ary nanao trano rantsankazo maromaro ho an'ny omby aman-ondriny; izany no nanaovana ny anaran'io tany io hoe Sokota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|653F7128-428C-420A-BD54-9E485821206F
18
Ary Jakoba tonga soa aman-tsara tao an-tanàna Sekema, izay eo amin'ny tany Kanana, rehefa avy tany Mesopotamia izy; dia nitoby tandrifin'ny tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD2813FB-D87C-454A-B34D-5A16BEFE5622
19
Dia novidiny vola zato tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema, ny tany izay nanorenany ny lainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6ED9D464-0B7F-4C5C-A51D-1BBA434C5D91
20
Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-elohe-Isiraely ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22B712F6-0760-44D2-9E5E-CDCB1DFC87C3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany