Andininy
Protestanta Malagasy
8
Ary Hamora nidinika taminy ka nanao hoe: Ny fon'i Sekema zanakolahy efa raiki-pitia amin'ny zanakareo-vavy; koa masìna hianareo, mba omeo azy ho vadiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E722DC67-9E14-465B-8C72-945E38BA98F3
9
Ary aoka hifanambady anaka isika: omeo anay ny zanakareo vavy, ary alao ho anareo kosa ny zanakai-vavy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C066DC4B-20D3-4D20-ACED-546D1FE7EB56
10
Dia hiara-monina aminay hianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; oneno, dia manaova varotra ao, ary aoka ho isan'ny tompon-tany hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C06B228-43ED-485B-8EFB-3ED669580801
11
Ary hoy Sekema tamin'ny rain'i Dina sy ny anadahiny: Aoka mba hahita fitia eto imasonareo aho, ary izay lazainareo amiko dia homeko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEC31DA2-B9BA-4046-ABB3-3187B84423ED
12
na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko, dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy ny zazavavy ho vadiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99467980-949F-4ACE-8F8E-94E7C0357DCF
13
Ary ny zanak'i Jakoba namaly an'i Sekema sy Hamora rainy tamin'ny fitaka ka nisaroro azy noho ny nandotoany an'i Dina anabaviny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97247EBE-D77D-4953-98BA-386B36A04CBB
14
ary hoy izy taminy: Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho an'izay lehilahy tsy voafora; fa fahavetavetana aminay izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D74C437-DA86-4B18-A78A-D05BE8735C77
15
Izao ihany no azonay hanekena anareo: Raha ho tahaka anay hianareo, ka hoforana ny lehilahy rehetra aminareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|117A5701-5079-4B47-9C45-C53B5DD11F6D
16
dia homenay anareo ny zanakai-vavy, ary ny zanakareo-vavy kosa halainay ho anay, dia hiara-monina aminareo izahay, ka ho firenena iray isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE1B4711-8696-4190-9ED1-EFAE593769AF
17
Fa raha tsy hanaraka ny teninay hianareo ka hoforana dia halainay ny zanakai-vavy, ka handeha izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7552F7A1-9FAF-4441-BAEC-94F3488B1684
18
Dia sitrak'i Hamorasy Sekema zanany izany teniny izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2708A53D-83C2-46F6-A18F-5256CA989F2E
19
Ary tsy nitaredretra ilay zatovo hanao izany zavatra izany, satria efa tia ny zanakavavin'i Jakoba izy. Ary izy no nalaza indrindra tamin'izay rehetra tao an-tranon'ny rainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E420A40D-B421-4241-AF55-19708CCAE403
20
Ary Hamora sy Sekema zananilahy nankeo amin'ny vavahadin'ny tanànany, dia niteny tamin'ny mponina tao an-tànanany ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0F65950-2195-414C-A207-F5AB4DE0A110
21
Ireo olona ireo mipetraka tsara eto amintsika, dia aoka honina eto amin'ny tany izy ka hanao varotra eto; fa. indro, ny tany dia malalaka eo anoloany; ny zanani-vavy dia aoka halaintsika ho vadintsika. ary ny zanatsika-vavy dia aoka homentsika azy kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD4C2A16-D953-46B6-868A-204E63290A51
22
Nefa izao monja ihany no hanaovan'ireo lehilahy ireo fanekena amintsika mba hiara-monina amintsika ho firenena iray: mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto amintsika tahaka izay namorana azy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|448D597B-180A-49AA-9AA5-F6CD886423B6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany