Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba: Miaingà, miakara any Betela hianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an'Andriamanitra Izay niseho taminao, fony hianao nandositra ny tavan'i Esao rahalahinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|139D793E-69A0-4225-96BA-4BE19CE75240
2
Dia hoy Jakoba tamin'izay tao an-tranony mbamin'izay rehetra nomba azy: Ario ireo andriamani-kafa, izay ao aminareo, dia madiova, sady ovay ny fitafianareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0673EEF3-1F7F-4860-8B97-7ABB8AC34F59
3
ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela; ary hanao alitara any aho ho an'Andriamanitra, Izay nihaino ahy tamin'ny andron'ny fahoriako ary nomba ahy tamin'ny làlana izay nalehako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B2021F3-B644-46C2-8778-965168CE2ECB
4
Dia natolony teo amin'i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notànany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin'i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin'i Sekema ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8911A49E-6503-4F6F-A6F1-30B3FD7B3F96
5
Dia lasa nandeha izy; ary nisy tahotra avy amin'Andriamanitra nahazo ny tanàna manodidina azy, ka tsy nanenjika ny zanak'i Jakoba izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F48CCAC3-5F13-4311-9664-59EFAC3F32C3
6
Ary Jakoba dia tonga tany Lozy (Betela izany), izay any amin'ny tany Kanana, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30AEAAD4-3B68-4861-8F71-C496D56648BF
7
Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe Elbetela no anaran'izany tany izany; fa teo no nisehoan'Andriamanitra taminy, fony izy nandositra ny tavan'ny rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|335E623F-3D7F-4698-A728-D45A72ECC6F8
8
Ary maty Debora, mpitaiza an-dRebeka, ka naleviny tao am-pototr'i Betela, teo ambanin'ny hazo ôka; ary ny anaran'io dia nataony hoe Alona-bakota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A08779A1-CAF5-4E32-B6A9-8EB0E723406C
9
Ary Andriamanitra niseho indray tamin'i Jakoba, raha tonga avy tany Mesopotamia izy, ka nitahy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8A70D79-C041-4C48-A3A0-02FAC3F4B851
10
Ary hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely ny anaranao; dia nataony hoe Isiraely no anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6513C3CB-E715-44B3-812A-7A835DF27D7B
11
Ary hoy Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; maroa fara sy mihabetsaha; firenena maro no hiseho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin'ny haterakao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C1304A8-4C50-476C-BE8B-D676355F3835
12
ary ny tany izay nomeko an'i Abrahama sy Isaka dia homeko anao; ary ny taranakao mandimby anao koa no homeko ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|159DF450-D90A-4BB1-9BBC-2836B1665902
13
Ary Andriamanitra niakatra niala taminy, teo amin'ilay niresahany taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2017F13C-0495-4BC3-A6BB-61B70CA6986B
14
Ary Jakoba dia nanorina tsangam-bato teo amin'ny fitoerana izay niresahany taminy ka nanidina fanatitra aidina teo aminy sady nampidina diloilo teo aminy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA12BBD7-FD10-4C19-BDA5-FF64B91481F8
15
Ary ny anaran'ny tany izay niresahan'Andriamanitra taminy dia nataon'i Jakoba hoe Betela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BC22FB9-B9F1-497E-AA60-851C93E5110C
16
DIA nifindra niala tany Betela izy; ary nony efa kely foana no sisa tsy nahatongavany tao Efrata, dia nihetsi-jaza Rahely sady sarotiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B899387F-1894-4A61-8792-1432FFBCF905
17
Ary nony sarotiny toy izany izy, dia hoy ny mpampivelona taminy: Aza matahotra hianao; fa izato koa no zazalahy ho anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CFD3AD9-13D0-4FA0-AF0F-A87DBC8885C0
18
Ary rehefa hiala aina (fa maty izy), dia nataony hoe Benony ny anarany; fa ny rainy kosa nanao azy hoe Benjamina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D400FCE1-36BE-4942-ACF8-9A07D38BEED6
19
Dia maty Rahely ka nalevina teo amin'ny làlana mankany Efrata (Betlehema izany).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|406D78B5-D218-4BAF-8F19-1C52B28A8708
20
Ary Jakoba nanorina tsangam-bato teo ambonin'ny fasany, dia ilay tsangam-bato ao amin'ny fasan-dRahely mandraka andro-any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E68E3C3A-CA82-4816-A4E4-9FA069B10DC7
21
Dia lasa nifindra Isiraely ka nanorina ny lainy tao ankoatr'i Migdaledera.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|722DC5A0-9EDC-49CE-A9DA-B8C5924BFFFC
22
Ary raha nonina teo amin'izany tany izany Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin'i Bila, vadi-tsindranon-drainy; ary nahare izany Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3B8416D-81E1-4A89-9C18-3097A11A1656
23
Ary ny zanakalahin'i Jakoba dia roa ambin'ny folo mirahalahy: ny zanak'i Lea dia Robena, lahimatoan'i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04B96F4B-DACF-42AE-A3EA-007DD3FEDD99
24
ny zana-dRahely kosa dia Josefa sy Benjamina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B818C04-E4A8-43FC-96C3-53DBF4C3F522
25
ary ny zanak'i Bila, ankizivavin-dRahely, kosa dia Dana sy Naftaly;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4F5DCA8-414F-4D14-81D8-62717194277E
26
ary ny zanak'i Zilpa, ankizivavin'i Lea, kosa dia Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin'i Jakoba izay naterany tany Mesopotamia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1950277D-2A19-454A-9F7C-E121BBDE7BFD
27
Ary Jakoba nankany amin'Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona izany), izay nivahinian'i Abrahama sy Isaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5B33374-3F09-4B00-ACE3-43D6854A94BA
28
Ary ny andro niainan'Isaka dia valopolo amby zato taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C46E8C24-7C7D-4447-B4BA-4C81C8810207
29
Dia niala aina Isaka ka maty, ary voangona any amin'ny razany, rehefa tratrantitra sady ela niainana izy; ary dia nandevina azy Esao sy Jakoba zanani-lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|091E8566-6163-498F-9E2E-4D4F95F9A03E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany