Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E036064-67A4-4FD0-8E54-879D5A9231DE
2
Ary Jehovah nomba an'i Josefa, dia lehilahy nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon'ilay Egyptiana tompony izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8334E41B-0301-46F3-B94E-F2E01904D731
3
Ary hitan'ny tompony fa nomban'i Jehovah izy, ka izay rehetra nataony dia nambinin'i Jehovah avokoa teo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A90D60E-2AA5-4781-963E-569F008368AD
4
Ary Josefa nahita fitia teo imason'ny tompony, ka dia nanompo azy; dia notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony, ary izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F03FCC6-BAC8-4741-BAEF-A01D010A92B4
5
Ary hatramin'izay nanendreny azy ho mpikarakara ny tao an-tranony mbamin'izay rehetra nananany dia notahin'i Jehovah ny tranon'ilay Egyptiana noho ny amin'i Josefa; ary ny fitahian'i Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEC20B48-566C-4DBF-8F14-FBE97839012F
6
Dia navelany ho andraikitr'i Josefa izay rehetra nananany; ary izy tsy nihevitra intsony izay rehetra nananany na inona na inona afa-tsy ny hanin-kohaniny ihany. Ary Josefa dia bikàna sady tsara tarehy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EA3A6F7-D31C-45EE-9A97-2D3B44F1F473
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany