Andininy
Protestanta Malagasy
11
Ary tamin'ny indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin'izay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F148E3F8-8CD7-4251-AE53-3BCE1B070700
12
Dia nisambotra azy tamin'ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe: Avia handry amiko; fa navelan'i Josefa teo an-tànany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72F15113-1C86-4576-BFF1-062E87D1550B
13
Ary rehefa hitan-dravehivavy fa navelany teo an-tànany ny akanjony, sady lasa nandositra any ala-trano izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56A64A68-AFB8-4217-A120-5468E4BE7B18
14
dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin'ny feo mahery aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46F864ED-ECA2-4ABA-80CF-0A02615331FD
15
ary nony reny fa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany teto anilako ny akanjony, ary nandositra iny ka lasa any ala-trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56DEB0F6-CE2F-4F93-8FD7-1EB6272E9EC0
16
Dia napetra-dravehivavy teo anilany ny akanjon'i Josefa, mandra-pahatongan'ny tompony tao an-trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24580BF2-4F62-45D3-884E-C64EADFD88B9
17
Dia nilaza taminy izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe: Nanatona ahy ilay andevolahy Hebreo, izay nentinao ho eto amintsika, mba hisangy ahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C76DB41-0435-4BD8-BAAA-BF375B7B25FA
18
ary rehefa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany eto anilako ny akanjony, ka lasa nandositra any ala-trano izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9DCCDAA-B6C4-46F4-B872-E815D1F916CC
19
Ary rehefa ren'ny tompony ny tenin'ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon'ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91CBDAE2-B6D6-4982-BC06-2FBD9230B046
20
Ary ny tompon'i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran'ny mpifatotra diso tamin'ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano maizina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14861F11-6059-467C-819E-3CE13473B241
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany