Andininy
Protestanta Malagasy
7
Ary taorian'izany ny vadin'ny tompony nanopy ny masony hijery an'i Josefa ka nanao hoe: Avia handry amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08B9C28B-928D-47C2-A4F8-50456AD76F64
8
Dia nandà izy ka nanao tamin'ny vadin'ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29C7641F-3AC1-4A00-8815-677226B7FDB4
9
Tsy misy lehibe noho izaho raha amin'ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy hianao ihany, satria vadiny hianao; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin'Andriamanitra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15F3CEC4-E07D-4D8C-B3E8-59BED86E578E
10
Ary na dia niteny tamin'i Josefa isan-andro aza ravehivavy, dia tsy nety nanaiky azy handry aminy izy na hiara-mitoetra aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8DA3B4C-2594-46FF-B276-62AE9D28F26F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany