Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Adama nahalala an'i Eva vadiny; dia nanan-anaka Eva ka niteraka an'i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin'i Jehovah aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F20195F-6433-403B-80B2-00AF4EC4949D
2
Ary niteraka an'i Abela rahalahiny koa izy. Ary Abela dia mpiandry ondry, fa Kaina kosa mpiasa tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B4B1DA6-0476-4FA5-86BF-71E4006A03BA
3
Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran'i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an'i Jehovah;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9964D194-41DE-4EFE-868D-0C0CE7D2CAFC
4
fa nitondran'i Abela kosa ny voalohan-terak'ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an' i Abela mbamin'ny fanatiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D23A9D27-8E82-4359-98D8-D9AFE1C43D1D
5
fa Kaina mbamin'ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|289F7BB9-FFDA-46A4-ADEE-468971850314
6
Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Nahoana no tezitra hianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AEE1C106-1F11-4C4D-9BC4-86A854E37342
7
Raha tsara toetra hianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa hianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary hianao no kendren'ny faniriany, kanefa hianao no tokony hanapaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5741979-3C5B-40C3-8FEC-387AE76C9D05
8
Ary Kaina niteny tamin'i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an' i Abela rahalahiny, ka namono azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E19893D-3BEB-4081-9644-29013FABEF08
9
Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Asa; moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB7A10DB-D849-4BE5-9844-95AF5856147A
10
Ary hoy Izy: Inona no nataonao? Ny feon'ny ran'ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7CC557F-675E-47A2-A77B-550F03813F2F
11
Ary ankehitriny dia voaozona hianao hiala amin'ny tany onenana, izay nivava hitelina ny ran'ny rahalahinao nalatsaky ny tànanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19FB9FB4-3B5D-4379-AB83-251924AC586D
12
Raha miasa ny tany hianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6703B2B-1FA8-463A-ABAF-BB4056337598
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany