Andininy
Protestanta Malagasy
13
Dia hoy Kaina tamin'i Jehovah: Lehibe ny valin'ny heloko mihoatra noho izay zakako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D9EA529-A1D4-44C9-9C4E-CBE2AE955C36
14
Indro, efa noroahinao hiala amin'ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83F66F08-E9E8-4810-9B8A-9BC6523173EE
15
Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an'i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an'i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D816DCF-E398-41E6-ACC1-A08106A71A78
16
Ary Kaina dia niala teo anatrehan'i Jehovah ka nonina tao amin'ny tany Noda tandrifin'i Edena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|029A4843-76BB-4EDB-B79B-14FA5BBF96EC
17
Ary Kaina nahalala ny vadiny, dia nanan-anaka ravehivavy ka niteraka an'i Enoka; ary nanorina vohitra Kaina, ka ny anaran'ny vohitra dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran'ny zanani-lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B40E4889-BAC1-464B-B0E2-E322DD667A30
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany