Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY taorian'izany ny mpitondra kapoakan'ny mpanjakan'i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin'ny mpanjakan'i Egypta tompony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76778345-0C20-4AD9-A01A-064815E8C831
2
Ary tezitra indrindra tamin'ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny mpanao mofo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|877882D8-48F4-4703-8E16-9F4BCEE9EE11
3
Dia nataony tao an-trano-maizina izy roa lahy, tao an-tranon'ny mpifehy ny mpiambina, tao anatin'ny trano-maizina izay nifatoran'i Josefa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5556793-191F-44C7-AF61-0CE23B7E8F0B
4
Ary Josefa notendren'ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin'izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin'ny trano-maizina izy roa lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1C05CD0-DCF4-45A4-9C50-901E5E1D1F9A
5
Ary nanonofy izy roa lahy indray alina, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon'ny mpanjakan'i Egypta, izay nifatotra tao amin'ny trano-maizina, ka samy nanana ny nofiny araka ny hevitry ny nofiny avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9149592E-98A4-4A87-A386-04214E43F218
6
Ary Josefa nankao aminy nony maraina ny andro ka nahita azy, fa, indreo, nalahelo tarehy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40DDEC2A-C5EC-44AE-BBCB-497FAB83E0E1
7
Dia nanontanian'i Josefa ny tandapan'i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon'ny tompony, ka hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato hianareo ankehitriny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2733F58F-567B-45D1-989E-E368BB298981
8
Ary hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa taminy: Tsy avy amin'Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Masina hianareo, lazao amiko izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DC791AE-61B8-47CE-BD83-F0CE2C342E38
9
Dia nambaran'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka tamin'i Josefa ny nofiny, ka hoy izy taminy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|837C7927-AF70-42CA-8F0D-866ADF4895AC
10
ary ilay tahom-boaloboka nisampana telo, ka nony nitsimoka izy, dia niposaka ny voniny, ary ny sampahony nahavanona voaloboka masaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|026C2901-DB31-43BA-9904-11F25BD6FAF0
11
Ary teny an-tànako ny kapoakan'i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin'ny kapoakan'i Farao, dia natolotro teo an-tànan'i Farao ny Kapoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEAEDC1A-26D4-476F-8878-A1F3D46C2563
12
Ary hoy Josefa taminy: Izao no heviny: Ny sampany telo dia hateloana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCF840D7-EF72-4259-BB96-3DD16032D6CC
13
Ato anatin'ny hateloana dia hasandratr'i Farao hianao ka hampodiny ho ao amin'ilay nipetrahanao; dia hanolotra ny kapoakan'i Farao ho eo an-tanany hianao tahaka ilay fanao fahiny, fony hianao mpitondra kapoakany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D01819FB-1D20-4213-B679-6EFF3CA586C3
14
Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa hianao, ka trarantitra hianao, iantrao aho, dia lazao amin'i Farao aho, ka avoahy amin'ity trano ity;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D41FC14C-A57D-4F4D-96DE-1813AE76EC4A
15
fa nangalarina mihitsy avy tany amin'ny tanin'ny Hebreo aho, ary aty koa tsy mba nanao izay tokony ho nanaovany ahy eto amin'ity lavaka ity aho,.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4ACB4A81-F597-48DC-9112-DC67F480CE2E
16
Ary rehefa hitan'ny lehiben'ny mpanao mofo fa tsara ny filazana ny hevitry ny nofy, dia hoy izy tamin'i J osefa: Izaho koa nanonofy, ka, indro, niloloha karaba telo feno mofo fotsy aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40769F0D-2C39-472A-8A77-170AB6DF1B72
17
ary teo anatin'ny karaba ambony indrindra dia nisy ny fihinan'i Farao samy hafa karazana rehetra fanaon'ny mpanao mofo; ary nohanin'ny vorona teo anatin'ny karaba izay nololohaviko izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9EBBF4D-2C83-45F5-9538-15B1933A0A1B
18
Dia namaly Josefa ka nanao hoe: Izao kosa no heviny. Ny karaba telo dia hateloana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB8D865C-082C-44CA-AF91-788690B8DD4B
19
Ato anatin'ny hateloana dia hasandratr'i Farao ho afaka aminao ny lohanao, (ka hahantony amin'ny hazo hianao) dia hohanin'ny vorona ny nofonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D51D9A88-F1B0-4432-959C-97890130008D
20
Ary tamin'ny andro fahatelo, izay niherenan'ny taona nahaterahan'i Farao, dia nanao fanasana ho an'ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lohan'ny lehiben'ny mpanao mofo teo amin'ny mpanompony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50DA09E7-6878-4002-8664-674C5B957EA1
21
Ary ny lehiben'ny mpitondra kapoaka dia nampodiny tamin'ny fitondrany kapoaka indray, ka dia nanolotra ny kapoaka ho eo an-tànan'i Farao izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E7982A0-FB1D-42AF-BB26-CD3C5E9FABAF
22
fa ny lehiben'ny mpanao mofo kosa dia nahantony, araka izay efa nolazain'i Josefa tamin'izy roa lahy avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87AEE3DB-6E3F-4354-A0A1-C066242D6F01
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany