Andininy
Protestanta Malagasy
37
Ary sitrak'i Farao sy ny mpanompony rehetra izany hevitra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B49098BC-E75A-4F8E-B3BF-51E996B1F045
38
Dia hoy Farao tamin'ny mpanompony: Hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin'Andriamanitra ao anatiny, va isika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79856FE9-7809-4CB8-991B-18CA951FBFBA
39
Ary hoy koa Farao tamin'i Josefa: Satria efa nampahafantarin'Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy lehilahy manan-tsaina sady hendry tahaka anao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51AF3396-1BE1-4AD1-97D1-D46357DE7D78
40
koa hianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A1E744B-A3D9-40E5-BA09-2580FA9B77F2
41
Ary hoy indray Farao tamin'i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BA35678-B4C1-488C-842A-5B78A75A102B
42
Dia nesorin'i Farao ny peratra tamin'ny tanany ka nataony tamin'ny tànan'i Josefa, dia nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF6381D3-5706-40ED-986F-F74E7C3A3F94
43
dia nampitaingeniny teo anatin'ny kalesiny faharoa izy, ary ny vahoaka niantso teo alohany nanao hoe: Mandohaleha; ary notendreny ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6615E7C-D6CF-45C1-959D-C25E7AAFE05D
44
Ary hoy Farao tamin'i Josefa: Izaho no Farao, ary raha tsy teninao, dia tsy hisy olona hanetsika ny tànany na ny tongony eto amin'ny tany Egypta rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0FCD4F4-E959-4DF5-911E-5B98A286E444
45
Ary nataon'i Farao hoe Zafenata-panea no anaran'i Josefa; dia nomeny azy Asenata, zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona, ho vadiny. Ary Josefa nandeha nitety ny tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A617ED48-DA11-4903-8763-5F8D0E3E6F35
46
Ary efa telo-polo taona Josefa, raha niseho teo anatrehan'i Farao, mpanjakan'i Egypta. Dia niala teo anatrehan'i Farao Josefa ka nandeha nitety ny tany Egypta rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E1690F8-6F86-4F9B-A182-71A04D458123
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany