Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY fantatr'i Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia hoy izy tamin'ny zanani-lahy: Nahoana no mifampijery foana hianareo ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA30DDDF-B9D2-4D58-8595-D7E0E74575A2
2
Dia hoy koa izy: Indro, efa reko fa misy vary any Egypta; andeha midina any hianareo, ka mividia ho antsika, mba ho velona isika, fa tsy ho faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62657A8B-3A81-400E-B4F9-BA26992B49F0
3
Dia lasa nidina izy folo lahy rahalahin'i Josefa mba hividy vary tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|570049A1-7624-42F7-A24A-92CC311ABF5D
4
Fa Benjamina, rahalahin'i Josefa, tsy mba nampandehanin'i Jakoba niaraka tamin'ny rahalahiny; fa hoy izy: Andrao hisy loza hanjo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DE807B1-BF43-4E71-88E5-0A68371DE66C
5
Dia tonga ny zanak'Isiraely mba hividy vary niaraka tamin'izay nankany; fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18933088-B96B-4451-A056-2A17BF3A9090
6
Ary Josefa no mpanapaka ny tany, sady izy no mpivaro-bary tamin'ny tompon-tany rehetra; ary tonga ny rahalahin'i Josefa ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BF93DAF-8748-4B65-920B-B56EA7C0A349
7
Ary hitan'i Josefa ny rahalahiny, dia fantany ihany izy, nefa nody olon-kafa taminy izy ka niteny mafy taminy nanao hoe: Avy aiza hianareo? Ary hoy kosa izy: Avy any amin'ny tany Kanana izahay mba hividy hanina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF6708C8-A9CE-499D-9740-2362FB584DD9
8
Ary fantatr'i Josefa ny rahalahiny, nefa izy ireo kosa tsy mba nahafantatra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D04E20E-D21C-4AB8-AFB5-260CE8CCC19D
9
Ary Josefa nahatsiaro ireo nofy nanofisany azy ka nanao taminy hoe: Mpisafo hianareo; hizaha ny fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C04BD961-B52C-4B07-8ED4-224D8699045E
10
Fa hoy izy ireo taminy: Tsia, tompokolahy; fa tonga mba hividy hanina ny mpanomponao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4160140-68E0-44A0-88C0-C072F1B4D2E2
11
Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay rehetra; olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory ny mpanomponao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F8F6DF2-232E-4C71-A229-C108F10F3D61
12
Ary hoy izy taminy: Tsia, fa hizaha ny fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83842CB8-09C0-48D8-91DE-798C92D9042C
13
Fa hoy izy; Roa ambin'ny folo mirahalahy ny mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any amin'ny tany Kanana; ary, indro, ny faralahy dia any amin'ny rainay ankehitriny, fa ny anankiray tsy ao intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D62EDC0-9816-491A-8284-F84812EEDA34
14
Ary hoy Josefa taminy: Ilay voalazako taminareo ihany hoe: Mpisafo hianareo no marina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5EA7316-3191-4362-885F-BABFC5581083
15
dia izao àry no hamantarana anareo: Raha velona koa Farao, tsy hiala aty hianareo, raha tsy tonga aty izany zandrinareo faralahy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAE176CF-714B-41C8-981A-0980B434EF4A
16
Iraho ny anankiray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa hianareo hafatotra, mba hofantarina ny teninareo, na marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa Farao, dia mpisafo tokoa hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F810020-5F52-4BAF-A784-4EECF9B4946D
17
Dia nataony tao an-trano-maizina hateloana izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C3DC647-9151-4B6C-96A5-AB2984664DF7
18
Ary nony tamin'ny andro fahatelo dia hoy Josefa taminy: Izao no ataovy, dia ho velona hianareo; fa izaho matahotra an'Andriamanitra:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC9D576F-FE31-4B67-8474-23DA791E7C1F
19
Raha olo-marina ary hianareo, dia aoka ny anankiray aminareo mirahalahy avy no hafatotra ao amin'ny trano-maizina nitoeranareo; ary mandehana hianareo hitondra vary noho ny mosary any amin'ny tranonareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6832A73F-DE5B-4526-A8FD-D55F473F0F17
20
ary ny zandrinareo faralahy dia ento mankaty amiko; dia ho hita fa marina ny teninareo, ary tsy hovonoina hianareo. Ary nataony izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EB790A0-335D-4D66-B6A1-3420D0832C28
21
Dia niresaka hoe izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin'ny rahalahintsika, satria nahita ny fahorian'ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no nahatongavan'izao fahoriana izao amintsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|695D9FFA-F3B9-4AFD-8238-4BBC210FD454
22
Dia namaly azy Robena ka nanao hoe: Moa tsy niteny taminareo va aho ka nanao hoe: Aza manota amin'ny zaza? nefa tsy mba nihaino hianareo; koa indro fa adinina ny rany izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A23B9B0-D813-4D4C-B3B7-5EC8DBFE0392
23
Ary izy ireo tsy mba nahalala fa Josefa nahafantatra ny teniny, satria nisy mpandika teny niresahany taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDF3BD54-0283-4F3B-96BE-B56662683823
24
Ary Josefa dia nihodina niala teo aminy ka nitomany; ary niverina nankeo aminy indray izy ka niteny taminy, ary dia naka an'i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24BA05B4-3DF1-43DC-B41F-5817C77F4705
25
Ary Josefa nanome teny hameno vary ny lasakany sady hamerina ny volan'ny isan-dahy ho ao anatin'ny lasakany avy ary hanome vatsy azy ho entiny eny an-dàlana; dia nanao izany taminy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9EF8B80-64D4-4692-B9A2-25B8975D3B3C
26
Ary natainginy tamin'ny borikiny ny vary, dia lasa nandeha izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1023E8B-11D8-4F07-8371-1E07D3447E52
27
Ary raha nosokafan'ny anankiray ny lasakany hampihinanany ny borikiny teo amin'izay handriany, dia hitany ny volany; fa, indro, teo am-bavan'ny lasakany izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E7C4570-FEF9-4035-AF64-1DC20BCD718B
28
Dia hoy izy tamin'ireo rahalahiny: Naverina ny volako, ka, indro, eo anatin'ny lasakako izany; dia ketraka ny fony, ary nifampijery amin-tahotra izy ka niresaka hoe: Inona izao ataon'Andriamanitra amintsika izao ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5712E4D3-1C63-484C-9BDC-6636CD5E0888
29
Ary tonga tany amin'i Jakoba rainy, tany amin'ny tany Kanana izy, dia nambarany taminy izay rehetra efa nanjo azy, ka hoy izy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F63C7FF7-73E8-4E92-BCE9-25FE8FAD5F14
30
Mafy ny teny nataon-dralehilahy, tompon'ny tany, taminay, fa nataony ho mpisafo ny tany izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36DD5D0A-3A7F-47BA-AE85-ADF7E63EE8C4
31
Ary hoy izahay taminy: Olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E012A7E6-AB39-4FB7-973A-77B561619570
32
roa ambin'ny folo mirahalahy izahay no zanaky ny rainay; tsy ao intsony ny anankiray, ary ny faralahy dia any amin'ny rainay any amin'ny tany Kanana ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94113951-88A7-4631-9150-EE41897CFBD4
33
Dia hoy ralehilahy, tompon'ny tany, taminay: Izao ary no hahafantarako fa olo-marina hianareo: ny anankiray aminareo mirahalahy avy dia avelao aty amiko, ka mitondra vary noho ny mosary any amin'ny tranonareo, dia mandehana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|001E8B75-5CBF-447C-8C53-FA2A66DD1F7A
34
ary ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy, dia ho fantatro fa tsy mba mpisafo hianareo, fa olo-marina; dia homeko anareo ny rahalahinareo, ka dia hanao varotra eto amin'ny tany hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7985E469-2FE3-4A69-94C1-B641494F67AF
35
Ary raha nandraraka izay tao anatin'ny lasakany izy ireo, dia, indro, ny volany am-ponosana samy teo anatin'ny lasakany avy; ary rehefa nahita ny volany am-ponosana izy sy ny rainy, dia samy raiki-tahotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57885A67-CBA1-4AB9-8D00-CC4B9AB155BB
36
Ary hoy Jakoba rainy taminy: Foananareo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin'izany rehetra izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAF232BC-D102-446F-A37E-9AFCE2E477C6
37
Ary Robena niteny tamin'ny rainy ka nanao hoe: Vonoy ny zanako roa lahy, raha tsy entiko miverina aty aminao izy; atolory eto an-tanako izy, dia izaho no hitondra azy mody ho aty aminao indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DF60F6A-180A-47C7-9B25-F1FDD6265755
38
Ary hoy Jakoba: Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin'ny làlana izay halehanareo, dia hampidininareo any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo ny volo fotsiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|798B0A19-6B79-45D1-8AE6-0B527208C373
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany