Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY mafy ny mosary teo amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6B8069E-D86C-4E5C-A199-3CD2BAB3237F
2
Ary rehefa làniny ny vary izay efa nalainy tany Egypta, dia hoy ny rainy taminy: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEF29F06-D733-426D-86B5-BF52AF893CA4
3
Ary Joda niteny taminy ka nanao hoe: Efa nilaza mafy taminay ralehilahy ka nanao hoe: Tsy hahita ny tavako hianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1368C96-F59D-4A25-BC91-78D26248E397
4
Raha hampandehaninao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFDC4AB6-0B5D-4ECC-B0D3-5B31B1F8EC83
5
fa raha tsy hampandehaninao izy, dia tsy hidina izahay; fa hoy ralehilahy taminay: Tsy hahita ny tavako hianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|790EA451-8430-4E48-B89D-4A8F8BD414ED
6
Ary hoy Isiraely: Nahoana no dia nampidi-doza tamiko hianareo ka nanambara tamin-dralehilahy fa mbola nanan-drahalahy koa hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|190B2360-2C7D-4203-853F-9840A3DB7880
7
Ary hoy izy ireo: Nanadina dia nanadina ny amin'ny tenanay sy ny mpianakavinay ralehilahy ka nanao hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? ary manan-drahalahy hafa koa va hianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany; moa nampoizinay akory va izay hanaovany hoe: Ento midina ny rahalahinareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EBD84C7-74A6-4A70-A82B-5FE0C5078FBB
8
Ary hoy Joda tamin'Isiraely rainy: Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika ka tsy ho faty, dia izahay sy hianao ary ny zanatsika madinika koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9619DF0E-EBCC-4A69-A1FC-00A03381DAC9
9
Izaho no hiantoka azy; amin'ny tànako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko aty aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin'ny andro rehetra hiainako aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D5452C3-5D03-4BB0-8FEC-D2F933F52016
10
fa raha tsy nijanonjanona izahay, dia efa tafaverina fanindroany toy izay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67879874-572A-412F-AAE9-FCED35A71B13
11
Ary hoy Isiraely rainy taminy: Raha izany ary no izy, dia izao no ataovy: analao ny vokatra malaza amin'ny tany ka ataovy ao anatin'ny fitondran-entanareo, dia ento midina haterina ho an-dralehilahy, dia balsama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota sy pistakia ary amygdala;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B5A6B6D-21F2-4586-9B91-BBC29CCD2E53
12
ary mitondra vola toraka ny teo eny an-tànanareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan'ny lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3E8CB99-66C0-41F2-922F-B671B9C07272
13
Ary ny rahalahinareo ento ihany; dia miainga ka miverena indray ho any amin-dralehilahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36799B8C-938F-4AC4-9E92-2433C455F991
14
ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindrampo anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1E1B66C-AE9B-4151-8C4A-336CF0940A1E
15
Dia nentin'ireo lehilahy ireo ny zavatra hateriny, ary vola indroa toraka ny teo koa no nentiny teny an-tànany mbamin'i Benjamina; ary niainga izy, dia nidina tany Egypta ka tonga teo anatrehan'i Josefa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC2BF398-7EBE-46D4-9D05-28E4FD5ECFC5
16
Ary Josefa, raha nahita an'i Benjamina niaraka taminy, dia nanao tamin'ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra izy ka anaovy nahandro; fa hiara-mihinana amiko izy raha mitataovovonana ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E246BF2-34E8-4F72-9A2F-42C130A54F78
17
Dia nataon-dralehilahy araka izay nandidian'i Josefa; ka nampidirin-dralehilahy tao an-tranon'i Josefa ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A4B6173-F6B6-4D78-80ED-33FB3F023661
18
Dia raiki-tahotra ireo lehilahy ireo, satria nampidirina tao an-tranon'i Josefa, ka hoy izy: Maintsy ilay vola naverina tao anatin'ny lasakantsika fahiny va no nampidirana antsika, hivarinany amintsika sy hianjerany amintsika! dia halainy ho andevo isika, ary halainy koa ny borikintsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6F10420-B559-431B-84C0-168D0FDA09E2
19
Dia nanatona an-dralehilahy, mpikarakara ny tao an-tranon'i Josefa, izy ka niteny taminy teo am-baravaran'ny trano nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B5249EC-286B-42AC-B4BD-706450152EC1
20
Mba henoy kely izahay, tompokolahy: nidina hividy hanina tokoa izahay fahiny:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F1B3770-0752-464D-8D14-BA1C30ED5A77
21
ary rehefa tonga teo amin'izay nandrianay izahay, dia nosokafanay ny lasakanay, ka indreo ny volanay isan-dahy teo am-bavan'ny lasakanay avy, tonga lanja avokoa ny volanay; ary efa nentinay niverina eto an-tànanay izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|123EDDAB-FDB5-4428-8AA2-4A489222B193
22
Ary nitondra vola hafa koa eto an-tànanay izahay hamidy hanina: tsy fantatray izay nanao ny volanay tao anatin'ny lasakanay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AAFFAF1-1914-4AF1-95FE-4A92DDF3B359
23
Ary hoy izy: Matokia hianareo, fa aza matahotra; Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin'ny lasakanareo; ny volanareo dia efa tonga taty amiko ihany. Dia namoaka an'i Simeona ho eo aminy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F344FBBD-91A9-4FB4-B2FD-02FC3F8F6513
24
Ary nampidirin-dralehilahy tao an-tranon'i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano, dia nanasa tongotra izy, ary ny borikiny nomeny hanina koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48A411E0-C6DF-41BC-AED3-30819A1C1F2D
25
Dia nandamina ny zavatra hateriny izy mandra-pihavin'i Josefa rehefa mitataovovonana ny andro; fa efa reny fa eo no hihinanany hanina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC064A9E-F34C-478A-81F5-023A5B32F33E
26
Ary rehefa tonga tao an-trano Josefa, dia nampidirin'izy mirahalahy avy ho ao an-trano mba hatolotra azy ireo zavatra efa nentiny, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4747E515-1A73-4CBC-81D5-2323F2595C13
27
Ary Josefa nanontany ny toeny ka nanao hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahy antitra nolazainareo? mbola velona ihany va izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|356BFB37-3420-45E9-B143-58BC203DF3F2
28
Dia hoy izy: Tsara ihany ny mpanomponao rainay; mbola velona ihany izy. Dia niondrika izy ireo ka niankohoka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91FC23CD-5AFA-4B9C-B06D-516D031E51F5
29
Ary Josefa nanopy ny masony ka nahita an'i Benjamina rahalahiny, zanakalahin'ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy, izay nolazainareo tamiko? Sady hoy koa izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E279265F-D52B-4958-A89A-BD9B2287E44C
30
Dia niala faingana Josefa, fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny, ka nitady izay hitomaniany izy; dia niditra tao an-efi-trano izy ka nitomany tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF7EF7B4-C7AB-4C13-9F32-F0F65E1242AC
31
Ary rehefa nanasa ny tavany izy, dia nivoaka; ary nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka nanao hoe: Ento ny nahandro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2B0C780-94B1-472F-AA34-264ED8A62339
32
Dia narosony mitokana ny ho an'i Josefa, ary mitokana ny ho an'ny rahalahiny, ary mitokana koa ny ho an'ny Egyptiana izay nihinana teo aminy, satria ny Egyptiana tsy mahazo miara-komana amin'ny Hebreo, fa fahavetavetana amin'ny Egyptiana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C093679E-B762-4252-B65E-F04A6D5F5FEB
33
Dia nipetraka teo anatrehany izy, ny lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny faralahy araka ny fizandriany; dia samy talanjona ka nifampijerijery izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08015E81-92DB-4432-A234-BE571C53F9A5
34
Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan'i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin'i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin'izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBAE12F5-7708-4309-A3A2-5CC8D6FE7173
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany