Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan'izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin'i Josefa, raha nanao izay hahafantaran'ny rahalahiny azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AEC0BA2C-ED7F-4ADF-8DC1-9B7A66BD66BE
2
Dia nitomany mafy izy, ka ren'ny Egyptiana, ary ren'ny tao an-tranon'i Farao koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8302AAA4-4EFE-498B-9777-22E42857F2C8
3
Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Izaho no Josefa; mbola velona ihany va ikaky? Ary tsy nahavaly azy ny rahalahiny; fa toran-kovitra teo anatrehany ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DD23369-AF94-430B-934E-A68DCC02E752
4
Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Avia, manatona ahy hianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho aty Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99F226A8-D466-461A-A497-EFFF5F62FEF7
5
Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin'ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho aty; fa hamonjy aina no nampandehanan'Andriamanitra ahy hialoha anareo aty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CB2C15F-BE73-4899-87E0-44092579B0DF
6
Fa roa taona izao no efa nisian'ny mosary teto amin'ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8D08724-41FF-489B-88B7-A21EEA11343B
7
Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin'ny tany, fa hamelona anareo amin'ny famonjena lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D68BF287-DC36-4845-8E94-692B2FB77887
8
Ary amin'izany, tsy hianareo no nampandeha ahy ho aty, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain'i Farao, sy ho tompon'ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3371A51D-5D06-4AC0-8912-AEFED62AE986
9
Andeha miakatra faingana hianareo ho any amin'ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin'i Josefa zanakao: Efa nataon'Andriamanitra ho tompon'i Egypta rehetra aho; ka midina hankaty amiko, fa aza mijanona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCB85FAB-2FF5-4A25-98FE-4E8C39D2C182
10
dia honina eo amin ny tany Gosena hianao, ka ho eo akaikiko hianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman-osinao sy ny ombinao mbamin'izay rehetra anananao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF1EBCBF-A5D7-47D9-A81F-3C0953816605
11
Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena hianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5064C750-5F2B-4A56-B75E-A9164D7CB5DA
12
Ary, indro, hitan'ny masonareo sy ny mason'i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako no miteny aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEC48172-9821-4AF5-8D36-2E5F6AA4D836
13
Dia hambaranareo amin'ikaky ny voninahitro rehetra aty Egypta sy izay rehetra efa hitanareo; koa mandehana faingana hianareo, ka ento midina aty ikaky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BB34A01-9BDE-4F2F-8D84-7BAD9CB585A5
14
Dia namihina ny vozon'i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany; ary Benjamina koa dia mba nitomany teo amin'ny vozony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43D062EA-F0E0-4DBE-BA37-9EBE0F443791
15
Ary dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1152FED0-00CA-4867-833C-A812088F0180
16
Ary re tao an-tranon'i Farao ny teny hoe: Tonga ny rahalahin'i Josefa; dia sitrak'i Farao sy ny mpanompony izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|849C9702-2D6E-4BCD-8BEF-B127FC0E27E3
17
Ary hoy Farao tamin'i Josefa: Lazao amin'ny rahalahinao: Izao no ataovy: ataingeno ny entana ho entin'ny bibinareo, ka mankanesa any amin'ny tany Kanana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0596D92-4DD0-4F9C-8285-CD889D5DE59C
18
ary alao ny rainareo sy ny ankohonanareo, ka mankanesa aty amiko; ary dia homeko anareo ny tsara eto amin'ny tany Egypta, ka hihinana ny matavy eto amin'ny tany hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3551C6FA-0961-4C68-949C-B0BD0B415B48
19
Ary ankehitriny efa nomena teny hianao, ka izao no ataovy: makà sariety amin'ny tany Egypta hitondranareo ny vady aman-janakareo, ary ento ny rainareo, ka mankanesa aty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|742D8C14-2321-4649-9969-EDFBC4AA6549
20
Aza malahelo ny amin'ny fanakareo; fa anareo izay tsara eto amin'ny tany Egypta rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53DE2E70-B42F-44D4-94D7-41682B181FD8
21
Ary nataon'ny zanak'Isiraely izany, ka dia nomen'i Josefa sariety izy, araka ny tenin'i Farao; ary nomeny vatsy koa ho entiny eny an-dàlana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|010EA26A-4D01-44CA-8905-786353AC3634
22
Ary izy rehetra samy nomeny akanjo indray miova avy; fa Benjamina kosa nomeny sekely volafotsy telon-jato sy akanjo indimy miova.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40A2815A-094B-4FED-ADC2-E31C12685B0B
23
Ary izao kosa no nampitondrainy ho an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Egypta, sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an'ny rainy ho entiny eny an-dàlana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D881B10-6F5C-45D6-9C66-875992658E2E
24
Dia nampandehaniny ny rahalahiny, ka lasa nandeha izy ireo; ary hoy Josefa taminy: Aza mifanditra eny an-dàlana hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98D0D933-6CD0-4183-82F3-128F26E50113
25
Dia niakatra avy tany Egypta izy ireo ka tonga tany amin'i Jakoba rainy tany amin'ny tany Kanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB9A5FD2-BCE7-49AF-A641-A0A9057BAA4C
26
Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon'i Jakoba, fa tsy nino azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28D7F077-A2C8-4DC5-B1B8-7EA38304B59E
27
Dia nolazain'izy ireo ny teny rehetra izay efa nolazain'i Josefa taminy: ary rehefa hitany ny sariety izay efa nampitondrain'i Josefa hitondrana azy, dia izay vao velona indray ny fanahin'i Jakoba rainy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78073BB6-27E2-4DDB-BF85-D401FAA81DC6
28
Ary hoy Isiraely: Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita azy, dieny tsy mbola maty aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32EAA540-0914-475E-BDE4-DB0965BA8ED7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany