Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY niainga Isiraely nitondra izay rehetra nananany ka nankany Berisheba, dia namono zavatra hatao fanatitra ho an'Andriamanitr'Isaka rainy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD8DD258-C602-4FC9-9DB2-E7A4CD894FDC
2
Ary Andriamanitra niteny tamin'Isiraely tao amin'ny fahitana nony alina ka nanao ho: Ry Jakoba, ry Jakoba ô! Ary hoy kosa izy: Inty aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E40B7E0A-166A-42BF-8852-777BFCC9197D
3
Dia hoy Izy: lzaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao; aza matahotra hidina any Egypta hianao, fa hataoko firenena lehibe any hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D40C7B79-3C78-4778-A362-66BE403331F7
4
Izaho hiara-midina aminao ho any Egypta; ary Izaho hitondra anao hiakatra indray tokoa ary ny tànan'i Josefa no hanirina ny masonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F24B0B5-6F81-46A7-8628-01B545726C13
5
Dia niainga Jakoba ka niala tao Beri-sheba; ary ny zanak'Isiraely nitondra an'i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny teo anatin'ny sariety, izay efa nampitondrain'i Farao hitondrana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CC60F4F-195E-4AD6-BCAF-96ECBF0314EA
6
Ary nentin'izy ireo ny omby aman-ondriny sy ny fananany, izay efa nohariny tany amin'ny tany Kanana, dia tonga tany Egypta Jakoba sy ny zanany rehetra nomba azy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA27BCAE-BD3F-4A91-B312-47FEB8E3642B
7
ny zanani-lahy sy ny zafini-lahy nomba azy, ary ny zanani-vavy sy ny zafini-vavy; eny, nentiny nomba azy ho any Egypta avokoa ny zanany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0333381A-2B4B-4E6F-BF3D-994F906235E8
8
Ary izao no anaran'ny zanak'Isiraely izay tonga tany Egypta, dia Jakoba sy ny zanani-lahy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3554873-40C6-4B56-9699-25B2A34D771B
9
Robena, lahimatoan'i Jakoba. Ary ny zanakalahin-dRobena dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C737DA2C-6B71-4C54-A186-F7CBD0CE7EC9
10
Ary ny zanakalahin'i Simeona dia Jemoela sy Jamina sy Ohada sy Jakina sy Zohara ary Saoly, zanakalahin'ny vehivavy Kananita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA0344E8-2469-47E2-ABDB-C22D181C1D8B
11
Ary ny zanakalahin'i Levy dia Gersona sy Kehata aty Merary.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76E5FC6D-746A-403E-B3C5-DC104FFE5963
12
Ary ny zanakalahin'i Joda dia Era sy Onana sy Sela sy Fareza ary Zera; ary Era sy Onana anefa dia maty tany amin'ny tany Kanana ihany. Ary ny zanakalahin'i Fareza dia Hezrona sy Hamola.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6444E31A-BB97-4282-B1BD-55F1C6F3BD96
13
Ary ny zanakalahin'Isakara dia Tola sy Pova sy Joba ary Simrona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA4CEB08-834D-4219-BE1F-D2D0D31A40EF
14
Ary ny zanakalahin'i Zebolona dia Sereda sy Elona ary Jahalela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|941A55FF-4D34-4B86-94E5-44487158883B
15
lreo no zanakalahin'i Lea izay naterany tamin'i Jakoba tany Mesopotamia, ary Dina zanani-vavy; ny isan'ny zanani-lahy rehetra mbamin'ny zanani-vavy dia telo amby telo-polo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|052060C3-1415-4167-AC74-B20B4175DAFC
16
Ary ny zanakalahin'i Gada dia Zifiona sy Hagy sy Sony sy Ezbona sy Ery sy Aroda ary Arely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BAAF7A4-41FB-4CCA-8CAA-0B65BCA382E0
17
Ary ny zanak'i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria ary Sera, anabavin'ireo; ary ny zanakalahin'i Beria dia Hebera sy Malkiela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5805ED16-56BF-41A8-9963-4E28CE2E8B27
18
Ireo no zanak'i Zilpa, izay nomen'i Labana an'i Lea zananivavy, ary ireo no naterany tamin'i Jakoba, dia enina ambin'ny folo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D68437A-D962-4064-BBD6-497E426C00EF
19
Ny zanakalahin-dRahely, vadin'i Jakoba dia Josefa sy Benjamina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B26564AE-21FD-4FED-9EAD-5ADC977B161A
20
Ary ny zanakalahin'i Asenata, zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona, izay naterak'i Josefa tany amin'ny tany Egypta, dia Manase sy Efraima.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B2D74C4-DF34-4447-90B8-C5A66B693134
21
Ary ny zanakalahin'i Benjamina dia Bela sy Bakera sy Asbela sy Gera sy Namana sy Ehy sy Rosy sy Mopima sy Hopima ary Arda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2E38631-F403-458A-8328-B7F900331754
22
Ireo no zanakalahin-dRahely, izay naterany tamin'i Jakoba; efatra ambin'ny folo ny isan'izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15CCFA48-5CD3-4EFD-9B13-F6B48727E59D
23
Ary ny zanakalahin'i Dana dia Hosima.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14FC0B5F-5DB6-40C5-B8BE-083539F740E6
24
Ary ny zanakalahin'i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera ary Si1ema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48EDA3D5-FBF4-4BB5-997E-9E7B2A99B4DC
25
Ireo no zanakalahin'i Bila, izay nomen'i Labana an-dRahely zanani-vavy, ary ireo no naterak'i Jakoba; fito no isan'izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23B7AD5D-EBDB-4E98-AC5D-751C85E1439E
26
Ny isan'izay rehetra nankany Egypta niaraka tamin'i Jakoba, dia izay naloaky ny kibony, afa-tsy ny vadin'ny zanakalahin'i Jakoba dia enina amby enim-polo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|780AE214-AE38-4EB4-8B41-7D1C547CA802
27
Ary ny zanakalahin'i Josefa, izay naterany tany Egypta, dia roa lahy; ny isan'ny terak'i Jakoba rehetra, izay tonga tany Egypta, dia fito-polo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E878549F-5201-4A67-86CA-E4F4936DD0F2
28
Ary Joda nirahiny nialoha azy hankany amin'i Josefa mba hanoro làlana azy ho any Gosena; dia tonga tany amin'ny tany Gosena izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDCA01AD-6A26-4FCF-B171-27E1B26D59EF
29
Ary Josefa nampanamboatra ny kalesiny, dia niakatra hitsena an'Isiraely rainy tany Gosena izy; ary raha niseho taminy izy, dia namihina ny vozony ka nitomany ela teo amin'ny vozony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|934CE548-5B0A-4BC7-878E-202203E25D3A
30
Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Aoka ho faty amin'izao aho, satria efa hitako ny tavanao, fa mbola velona ihany hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44725A77-D8E4-4877-AE48-4CF09343FBB5
31
Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny sy ny ankohonan'ny rainy: Hiakatra aho hilaza amin'i Farao ka hanao aminy hoe: Ny rahalahiko sy ny ankohonan'ny raiko, izay tany amin'ny tany Kanana, dia efa tonga aty amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CCE856E-D893-4369-889D-C0CFF27039A3
32
Ary mpiandry ondry ireo lehilahy ireo, fa mpiompy omby aman-ondry izy; ary ny ondry aman-osiny sy ny ombiny mbamin'izay rehetra ananany dia nentiny avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F1B6BC5-FE58-408A-AE8B-85963C06019A
33
Ary raha hiantso anareo Farao ka hanao hoe: lnona no raharaha fanaonareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD59B023-8948-4B3C-8754-78227B61343C
34
dia izao no havalinareo: Miompy omby aman-ondry no raharaha fanaon'ny mpanomponao, hatry ny fony vao zaza ka ambaraka ankehitriny, dia izahay sy ny razanay koa mba hahazoanareo monina ao amin'ny tany Gosena, satria fahavetavetana amin'ny Egyptiana ny mpiandry ondry rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|690A21D6-754A-4445-9F1B-964D8897F329
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany