Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Josefa nankao amin'i Farao ka ni1aza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko ary ny ondry aman-osiny sy ny ombiny mbamin'izay rehetra ananany dia efa tonga avy tany amin'ny tany Kanana; ka, indreo, ao amin'ny tany Gosena izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|117F47DA-2E66-44A5-B4E0-50EA2007A650
2
Ary ny dimy lahy tamin'ny rahalahiny no nalainy ka nentiny teo anatrehan'i Farao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3A773FE-D22D-4545-8318-07E731C11A5D
3
Ary hoy Farao tamin'ireo rahalahin'i Josefa: Inona moa no raharaha fanaonareo? Dia hoy izy tamin'i Farao: Mpiandry ondry izahay mpanomponao hatramin'ny razanay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E203BEF-9140-441A-B9C4-3CCCC3F9EE1A
4
Ary hoy koa izy tamin'i Farao: Mba hivahiny eto amin'ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy ahitra ho an'ny ondry aman-osin'ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin'ny tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra hianao, aoka mba honina ao amin'ny tany Gosena ny mpanomponao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EE1AD57-7196-40AE-8775-1EE29063E9D6
5
Ary Farao dia niteny tamin'i Josefa ka nanao hoe: Ny rainao sy ny rahalahinao efa tonga aty aminao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89AEA158-E76D-4B34-9FC8-E7B725B1DE6A
6
ny tany Egypta dia eo anoloanao; koa amin'izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao; aoka honina ao amin'ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy, tendreo izy ho lehiben'ny mpiandry ny omby aman-ondriko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B658C5C-DA36-4577-A627-AD6BE470B3EF
7
Dia nentin'i Josefa ho eo anatrehan'i Farao Jakoba rainy; ary Jakoba dia nisaotra an'i Farao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4C4F2DF-C437-4D0A-80AC-6BA7C517D1C7
8
Ary hoy Farao tamin'i Jakoba: Firy taona moa no andro niainanao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93C06B69-F598-4DC2-9B5C-C18BF1543435
9
Dia hoy Jakoba tamin'i Farao: Telo-polo amby zato taona no andro nivahiniako; sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy nahatratra ny andro niainan'ny razako tamin'ny andro nivahiniany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A166F745-D954-44A9-B7CE-8FCB8303B1F5
10
Ary Jakoba, rehefa nisaotra an'i Farao, dia lasa niala teo anatrehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1EC2CAD-90DA-4520-9964-8FB76C95AB5C
11
Dia namponenin'i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin'ny tany Egypta, dia tao amin'ny tany tsara indrindra, tao amin'ny tany Ramesesa, araka izay efa nandidian'i Farao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E85A3490-3778-45B3-A6BE-C34E79FCC58C
12
Dia novelomin'i Josefa tamin'ny hanina ny rainy sy ny rahalahiny mbamin'ny ankohonan'ny rainy rehetra, araka ny isan'ny zanany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E99F5526-7F59-4BBE-BE26-DA37B66C4DD6
13
Ary tsy nisy hanina teo amin'ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|261C483A-56E0-4E8E-B241-0B9856F572C7
14
Dia nangonin'i Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia izay vidin'ny vary novidin'ny olona, ka nampidirin'i Josefa tao an-tranon'i Farao ny vola.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91468825-7E74-43B7-8444-F0B733BC455A
15
Ary rehefa lavokoa ny vola tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia nankeo amin'i Josefa ny Egyptiana rehetra ka nanao hoe: Omeo hanina izahay; fa nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? fa efa lany avokoa ny vola.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A463CC4-C0B1-422F-AAB6-1BD40A044FB8
16
Ary hoy kosa Josefa: Omeo ny omby aman-ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BA734E2-8B2F-4003-A75B-B825B72293BF
17
Dia nentiny tany amin'i Josefa ny omby aman-ondriny, ka notakalozan'i Josefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman-osiny ary ny ombiny sy ny borikiny; dia nomeny hanina izy tamin'izany taona izany ho takalon'ny bibiny rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1255E948-F358-4B19-9456-48838690915F
18
Ary rehefa tapitra izany taona izany, dia nankeo aminy indray ny olona tamin'ny taona faharoa ka nanao taminy hoe: Tsy azonay afenina amin'itompokolahy fa efa lany ny vola, ary efa lasan'itompokolahy avokoa ny biby fiompy; tsy misy na inona na inona intsony eto imason'itompokolahy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6705D3B5-45B8-4E38-98E4-2297F7301332
19
nahoana no dia ho faty izahay eto anatrehanao, dia izahay sy ny taninay? Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon'i Farao izahay sy ny taninay: ary omeo voa hafafy izahay, mba ho velona, fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|797406D6-FFDC-4E51-90C4-D6644FA9D273
20
Dia notakalozan'i Josefa ho an'i Farao ny tany Egypta rehetra; fa ny Egyptiana samy nanakalo ny sahany avy, satria resy mosary izy; ary dia lasan'i Farao ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D3B1CE0-24E5-484D-8A5E-E81BF0E99DB5
21
Ary ny olona dia nafindrany ho ao amin'ny tanàna hatramin'ny faran'ny faritr'i Egypta rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73BACAD1-C449-4B04-BE30-4A71C7D37CBE
22
Ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara tamin'i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen'i Farao azy; izany no tsy nanakalozany ny taniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D9C1BFC-FF73-4033-83BD-A9CD87D218E6
23
Dia hoy Josefa tamin'ny olona: Indro, efa voavidiko andro-any hianareo sy ny taninareo ho an'i Farao; koa indreny ny voa hafafinareo, dia hofafazanareo ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32B96A6F-8384-4BF4-B267-8144581CB4C8
24
Ary rehefa misy vokatra, dia haterinareo ho an'i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa ny efa-toko, ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin'izay ao an-tranonareo ary hohanin'ny zanakareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB91D0C7-7EAD-429E-A0CB-8ABE9CF9B9A4
25
Ary hoy izy: Efa namonjy ny ainay hianao; aoka mba hahita fitia eto imason'itompokolahy izahay, dia ho mpanompon'i Farao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C90E1BE7-611E-4D5C-B85F-6F268F754D71
26
Dia nataon'i Josefa ho làlana tany amin'ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an'i Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba lasan'i Farao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E7D67FA-590D-46FC-986C-295178240378
27
Ary nonina tao amin'ny tany Egypta ny Isiraely, dia tao amin'ny tany Gosena; ary nahazo zara-tany tao izy, dia nihamaro anaka ka nihabetsaka indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9A117EB-8060-4DCA-B61C-A6B0FE7E0867
28
Ary ny andro niainan'i Jakoba tao amin'ny tany Egypta dia fito ambin'ny folo taona; koa ny andro rehetra niainan'i Jakoba dia fito amby efa-polo amby zato taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24E4FF73-2C48-491B-A140-E89EC57D0432
29
Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'Isiraely, dia nampaka an'i Josefa zanany izy ka nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masina hianao, ataovy ato ambanin'ny feko ny tanànao, ka ataovy amiko izay soa sy izay marina; masina hianao aza alevina aty Egypta aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|517E3BD4-7B48-4202-967F-7A4276132111
30
Fa rehefa lasa mody mandry any amin'ny razako aho, dia ho entinao hiala aty Egypta ka halevinao ao amin'hy fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5257DFD6-D1DE-4AD4-B143-1B6E9D2C0970
31
Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko. Dia nianiana taminy izy. Dia niankohoka teo an-dohan'ny farafara Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBEF5371-C4C5-4E99-ABC3-F8386684D230
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany