Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY rehefa afaka izany, dia nisy nilaza tamin'i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima, zanany mirahalahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C2C0064-F13F-4C41-B8DA-32F8C472D5E9
2
Ary nisy nilaza tamin'i Jakoba ka nanao hoe: Indro, Josefa zanakao tamy ho ety aminao; dia nanatanja-tena Isiraely ka niarina teo ambonin'ny farafara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8F0B6D9-52F5-49BB-9727-DEFDEBA1057B
3
Ary hoy Jakoba tamin i Josefa: Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any amin ny tany Kanana ary nitahy ahy ka nanao tamiko hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70A18CCF-CBD1-4532-B5A6-BBF626A009A4
4
Indro, Izaho hahamaro ny taranakao, dia hampitombo anao sy hanao anao ho firenena maro; dia homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1207746F-63AF-45AD-964D-3E83E9EBE571
5
Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao taty amin'ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga taty aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Mariase dia ho ahy, tahaka an'i Robena sy Simeona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C181972-5208-4E68-A0AF-9FB2C426776E
6
Fa ny zanakao izay haterakao aorian'izy mirahalahy dia ho anao kosa, ary ny anarany hatao araka ny an'ny rahalahiny eo amin'ny zara-taniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83562272-2AB9-4FB5-8A81-861A948E3525
7
Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin'ny tany Kanana, tany an-dàlana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron'ny làlana mankany Efrata (Betlehema izany).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70AE17AC-C620-498A-8848-82C597F733DA
8
Ary rehefa hitan'Isiraely ny zanak'i Josefa, dia hoy izy: Iza moa ireo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F37358A-2FE4-4955-AD50-D11677332DD8
9
Ary hoy Josefa tamin-drainy: Zanako ireto, izay nomen'Andriamanitra ahy taty. Ary hoy izy: Masina hianao, ento eto amiko izy, dia hotsofiko rano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E70D8205-26D4-46BC-A254-9690369BFC72
10
Ary efa pahina ny mason'Isiraely noho ny fahanterany, ka tsy nahita izy; dia nentin'i Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary Isiraely nanoroka sy namihina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F643F44E-46E5-4B14-B36B-30C098AF791A
11
Dia hoy Isiraely tamin'i Josefa; Tsy nanampo izay hahita ny tavanao intsony aho; kanjo, indro, Andriamanitra efa nampahita ahy ny zanakao koa aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D95F1861-C4C7-4E00-97AB-DB402CA0AC1D
12
Ary Josefa nampiala azy mirahalahy teo anelanelan'ny lohalik'Isiraely, dia niankohoka tamin'ny tany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BCF3C82-C12E-4343-8ADB-95A4F4F40CBA
13
Dia notantan'i Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin'ny ankavanany ho eo amin'ny ankavian'Isiraely, ary Manase tamin'ny ankaviany ho eo amin'ny ankavanan'Isiraely, ka nentiny nanatona azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15D8F7D7-6B67-4E23-9086-610A00E493A4
14
Dia nahinjitr'Isiraely ny tanàny ankavanana ka napetrany ramin'ny lohan'i Efraima, nefa izy no zandriny, fa ny tànany ankavia kosa teo amin'ny lohan'i Manase; fa niniany natao toy izany ny tànany, nefa Manase no lahimatoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|566AB373-0505-491B-BEAA-5F07E79E867F
15
Dia nitso-drano an'i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan'i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka andro-any,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A140F36B-CCCD-46F1-9042-758C2C63B0BA
16
ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin'ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran'i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin'ny tany anie izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9B2BDFB-AAE7-4CE9-8750-27B9E16E3193
17
Ary rehefa hitan'i Josefa fa ny rainy nametraka ny tànany ankavanana teo amin'ny lohan'i Efraima, dia tsy sitrany izany; ka noraisiny ny tànan'ny rainy, mba hampiala azy amin'ny lohan'i Efraima ho amin'ny lohan'i Manase,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9731CDE5-3903-4085-86D7-71407BFC687F
18
ka hoy Josefa ramin'ny rainy: Tsy izao no izy, ry ikaky; fa ity no lahimatoa, ka apetraho eo amin'ny lohany ny tànanao ankavanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7A2CA95-4E52-49E2-AF85-031E762C9F91
19
Fa tsy nety ny rainy, fa nanao hoe: Fantatro ihany, anaka, fantatro ihany, izy koa ho tonga firenena, ary izy koa ho lehibe; kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny taranany ho firenena maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36AF9392-C0E0-4A1C-B975-5CD8480F2977
20
Dia nitso-drano azy tamin'izany andro izany izy ka nanao hoe: Hianao no hitsofan'ny Isiraely rano hoe: Hataon'Andriamanitra tahaka an'i Efraima sy tahaka an'i Manase anie hianao. Ary Efraima no nataony alohan'i Manase.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE684CE3-7BF1-4B0E-8620-6F86F981BECC
21
Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Indro, ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo indray ho any amin'ny tanindrazanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07CCA3C7-17F1-47EF-99C0-FBE323D67F75
22
Ary izaho manome anao zaratany iray ho tombon-dahinao amin'ny rahalahinao, izay nalaiko tamin'ny sabatro sy ny tsipikako teo an-tànan'ny Amorita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55A33074-F25E-4727-8FA0-75FA95990D5C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany