Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Jakoba namory ny zanani-lahy ka nanao hoe: Mivoria hianareo, mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|941733F1-0534-48BD-8BD8-3A4EE78D1212
2
Miangôna, ka mandrenesa, ry zanakalahin'i Jakoba, eny, mihainoa an'Isiraely rainareo:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DA08AFE-EB5A-444F-9DDC-F353A893FCA1
3
Ry ROBENA, lahimatoako hianao, heriko sy voalohan'ny tanjako, manan-tombom-pisandratana, manan-tombon-kery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D79B86A-C08E-4AE9-8003-7FC421ECA881
4
Mandroadroatra toy ny rano hianao ka tsy hanan-tombo, fa niakatra tamin'ny fandrian'ny rainao hianao, tamin'izany no nandotoanao azy. Endrey, ny farafarako lahy, ka dia niakarany!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88A3C4B0-FECF-4B42-9A40-4CC1A92C9432
5
SIMEONA sy LEVY dia mpirahalahy, fiadia-mandoza ny sabany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCA76589-231E-4BA0-98C8-E2FE508B5372
6
Aza mankeo amin'izay iokoany, ry foko, ary aza miray amin'ny fiangonany. ry fanahiko; fa tamin'ny fahatezerany no namonoany olona, ary tamin'ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69DBE8F4-7ED4-4143-B5E6-93508051274E
7
Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany, ary ny fahavinirany, fa loza izany; hampihahakahaka azy eny amin'i Jakoba aho, ary hanely azy eny amin'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DE1E4EF-C26D-4657-9DB6-866BF158C2E0
8
Ry JODA, hoderain'ny rahalahinao hianao, ny tànanao ho ao amin'ny vozon'ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0075363F-7D34-4AE3-B294-C63579D35CC0
9
Zana-diona, Joda, avy niremby hianao, anaka; mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F6EC1CB-11C2-4A35-BE5C-7C442F6A1AE4
10
Ny tehim-panjakana tsy hiala amin'i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan'ny tongony, mandra-pahatongan'i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30CDE97A-D94E-438C-899F-17CA2FE70184
11
Mamatotra ny borikiny tanora eo amin'ny tahom-boaloboka izy. Ary ny zanaky ny borikivaviny eo amin'ny tahom-boaloboka tsara; nanasa ny fitafiany tamin'ny divay izy, ary ny akanjony tamin'ny ram-boaloboka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C2CEE42-A337-4749-A39F-1FC8BC654CE5
12
Mangamanga ny masony azon'ny divay ary fotsy ny nifiny azon'ny ronono.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD301325-F150-4B19-82A7-7459F8542DA7
13
ZEBOLONA, ao amoron-dranomasina no honenany, dia ao amoron-dranomasina fitodian-tsambo; ary ny sisin-taniny hifanolotra amin'i Sidona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|328DF621-4751-4545-8E44-BDFE5BD93B41
14
ISAKARA dia boriky henjana, mandry eo anelanelan'ny vala;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30831733-0166-40FF-9D68-169731AF4E19
15
Ary hitany fa tsara ny fialan-tsasatra, sady mahafinaritra ny tany; dia nanongilana ny sorony hitondra entana izy ka tonga mpanompo mandoa hetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9462B892-08DD-4A93-9CC4-81C17628F7D3
16
DANA hitsara ny olony tahaka ny anankiray amin'ny firenen'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44966FD6-C2C8-4455-9184-927F614CEAB9
17
Dana ho menarana ao amoron-dàlana, ho bibilava misy tandroka ao an-dàlana izy, izay manaikitra ny kitrokelin'ny soavaly, ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAB4FBF9-C80F-463D-9333-141BB518C2B8
18
Ny famonjenao no andrasako, Jehovah ô!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C778959-4AAC-4FAF-900D-68D6C4906B61
19
GADA, ny manao andiany hamoritra azy; fa izy kosa hamely ny otrika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A20E8529-6852-43EB-987F-E8A11052E18B
20
ASERA dia avy ao aminy ny matavy fihinany, ary izy no ihavian'ny hanim-pin'andriana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20BE9D17-3439-465C-ACBE-752423F6C0FA
21
NAFTALY dia dieravavy alefa; manao teny mahafinaritra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|440CDF4D-60CB-47A0-9627-B8C3AC88DC8D
22
JOSEFA dia sampana mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika mihoatra ny fefy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDB97E0F-D872-4BA7-8266-1FF4CC3B71F9
23
Nampahory azy ny mpitifitra, dia nitifitra azy sy nanenjika azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13D05F00-B1F1-44C2-A1D3-EBBC399D0901
24
Kanefa mateza hery ny tsipikany, ary mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin'ny tànan'Ilay Maherin'i Jakoba, dia avy ao amin'ny Mpiandry, Izay Vatolampin'ny Isiraely,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|170CD07F-DA54-47BD-9B47-70B363A9BC15
25
Avy amin'ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao avy amin'ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao: Dia fitahiana avy amin'ny lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin'ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin'ny nono sy ny kibo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D3C85F8-3808-4269-8F89-34BF804BED77
26
Ny tso-dranon'ny rainao dia mihoatra noho ny havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin'ny tendrombohitra fahagola; ho eo an-dohan'i Josefa izany, dia ho eo an-tampon-dohan'ilay nalaza tamin'ny rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06BF5BF4-B6B4-4306-93C9-409B8A1865AA
27
BENJAMINA dia amboadia mamiravira: Nony maraina homan-dremby izy, nony hariva mizara babo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D743F17-F188-4ACE-9D98-3BF4A9B9300D
28
Ireo rehetra ireo no firenen'ny Isiraely roa ambin'ny folo; ary izany no nolazain'ny rainy taminy sy nitsofany rano azy; samy araka ny tso-drano izay tokony ho azy avy no nitsofany rano azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31539678-6D7B-4BB9-B42D-E8D21ADA7C58
29
Dia nanafatra azy izy ka nanao taminy hoe: Izaho efa madiva hangonina ho any amin'ny razako; aleveno ao amin'ny razako aho, dia ao anatin'ny zohy izay any amin'ny sahan'i Efrona Hetita,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|091A7720-D7FD-4A91-8FBD-85DE37F81812
30
ao anatin'ny zohy izay any amin'ny saha Makpela, izay tandrifin'i Mamre, any amin'ny tany Kanana, dia ilay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i Efrona Hetita ho tany fandevenana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|103786D5-DFF3-4C01-97A9-5F87DA01DD32
31
Tao no nandevenany an'i Abrahama sy Saraha vadiny; ary tao koa no nandevenany an'Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao koa no nandevenako an'i Lea,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02435439-2D9E-4D60-AA82-6DEC9FF07E6B
32
ny saha sy ny zohy ao anatiny izay novidiny tamin'ny taranak'i Heta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F63FDC40-D92F-48F2-842B-089FFEDBD51A
33
ARY rehefa vitan'i Jakoba ny hafatra nataony tamin'ny zanani-lahy tehetra, dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any amin'ny razany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84309153-86E4-4883-B77F-797C674CF391
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany