Genesisy 50: 1-21

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Josefa nihohoka tamin'ny tavan'ny rainy ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79D62391-C0E7-431F-B818-09E90B436335
2
Ary nasain'i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia nanosotra an'Isiraely ny mpanao fanafody.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4BC0287-80BF-4622-AB02-5661947E6056
3
Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan'ny andro nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy fito-polo andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F07E12A5-468B-4474-96B0-33DE01CF8777
4
Ary rehefa tapitra ny andro nisaonana azy, Josefa dia niteny tamin'ny tao an-tranon'i Farao ka nanao hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonareo aho, masìna hianareo, lazao amin'i Farao, ka ataovy hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|143F71F7-6914-47BA-8E13-F64CAA7B2DC4
5
Ny raiko efa nampianiana ahy ka nanao hoe: Indro, ho faty aho; koa ao amin'ny fasako, izay nohadiko ho ahy any amin'ny tany Kanana, dia ao no andeveno ahy. Koa ankehitriny, trarantitra hianao, aoka aho hiakatra handevina ny raiko, dia hiverina aty indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E05C876-22EC-4D9B-B4E0-D553F3B2291A
6
Ary hoy Farao: Miakara ary, ka aleveno ny rainao araka izay nampianianany anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDC8CE9A-3EA4-402A-9B57-0ECDCC0FC436
7
Dia lasa niakatra Josefa handevina ny rainy; ary niara-niakatra taminy ny mpanompon'i Farao rehetra, dia ny loholona tao an-tranony sy ny loholona rehetra tany amin'ny tany Egypta,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7960A6E-7786-44F0-B003-9566A89B7953
8
ary ny ankohonan'i Josefa rehetra sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy; ny ankizy madinika sy ny ondriny aman-osiny sy ny ombiny ihany no navelany tao amin'ny tany Gosena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BA22132-E4DB-4AF7-A3D7-304B5A5C1CAE
9
Ary nisy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly niara-niakatra taminy koa, ka lehibe dia lehibe ny tobiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C67A5EE7-07B8-4B13-81B3-5710ED709F72
10
Ary rehefa tonga teo Goren-atada izy, izay ao an-dafin'i Jordana, dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo izy; dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4B4A683-4389-4980-A360-3D645A7C8968
11
Ary rehefa hitan'ny Kananita tompontany ny fisaonana teo Goren-atada, dia hoy izy: Fisaonana mafy amin'ny Egyptiana izao; izany no nanaovany ny anarany hoe Abel-Egyptiana, izay ao an-dafin'i Jordana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C802EF22-C5CC-44E1-9D84-A0CD9B3E5072
12
Ary ny zanakalahin'i Jakoba nanao taminy araka izay nandidiany azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|761953FC-4F32-4997-A6B9-31D03DD9D58A
13
dia nitondra azy tany amin'ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin'ny zohy amin'ny saha Makpela, tandrifin'i Mamre, dia ilay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i Efrona Hetita ho tany fandevcnana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3BE2DFC-5896-492D-A32D-F960B8962890
14
Ary rehefa voalevin'i Josefa ny rainy, dia niverina tany Egypta izy sy ny rahalahiny mbamin'izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1179EE0A-02BB-4EFB-9B41-7690F09B596A
15
Ary rehefa hitan'ny rahalahin'i Josefa fa maty ny rainy, dia hoy izy: Andrao hanao fo-lentika amintsika Josefa ka hamaly antsika tokoa noho izay ratsy rehetra nataontsika taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABBEF6DA-3042-400B-855E-21350D426F0E
16
Dia naniraka nankany amin'i Josefa izy ka nanao hoe: Ny rainao nanafatra, fony izy tsy mbola maty,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D409DA8-FB8C-4895-A530-73D32DA2757B
17
ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin'i Josefa: Mamela re ny fahadisoan'ny rahalahinao sy ny fahotany, fa efa nanao ratsy taminao izy; eny, mamela ankehitriny ny fahadisoan'ny mpanompon'ny Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany Josefa, raha niteny taminy izy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77C132F7-DD71-4D0B-A601-12A8D6AB4769
18
Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2733E78-D4D3-482C-BF5F-A78C431D5D84
19
Ary hoy Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa solon'Andriamanitra va aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|834D87E1-1698-46B1-93D2-3071375FB56A
20
Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin'izao anio izao, hamelona olona betsaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAA6636E-6BD0-4ABB-911E-3124554D60FC
21
Koa ankehitriny, aza matahotra hianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|283E848B-9674-40EA-9E75-EE6D5B81FF20
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany