Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Andriamanitra nitso-drano an'i Noa sy ny zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E02171C9-53CC-4286-AB16-0378425E6B91
2
Ary ny tahotra sy horohoro anareo hahazo ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; ireny mbamin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany sy ny hazandrano rehetra ao amin'ny ranomasina dia efa natolotra eo an-tànanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3E1CD44-204F-4CDE-A2FB-22D91C44BDED
3
Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D357142-F548-43FA-A8BF-40CF711C023E
4
Kanefa ny nofo izay mbola misy aina dia ny rany no aza haninareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|590EADD7-26E0-4942-8DE7-2BC1F6386643
5
Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin'ny tànan'ny manan-aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin'ny tànan'ny olona, dia eo amin'ny tànan'ny olona avy, no hanadinako ny ain'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4A3A5FC-BA69-461B-A779-61F86A8F5C20
6
Izay mandatsaka ny ran'olona, dia mba halatsak'olona kosa ny rany, satria tahaka ny endrik'Andriamanitra no nanaovany ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3257284-7834-46E8-82F8-5F5AF3CFC093
7
Koa ny aminareo, dia maroa fara sy mihabetsaha; miteraha be eny ambonin'ny tany sy mihabetsaha eny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07CD4E1D-F615-45EC-9964-45EA4B02FBD4
8
Ary Andriamanitra niteny tamin'i Noa sy tamin'ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|535855B4-300F-4EE6-87C2-60AAD1ABDB71
9
Indro, Izaho efa manorina ny fanekeko aminareo sy amin'ny taranakareo mandimby anareo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|764A0ACF-E6AD-46BC-8375-E1872114D130
10
sy amin'ny zava-manan-aina rehetra eo aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny bibi-dia rehetra eo aminareo: izay rehetra nivoaka avy tao anatin'ny sambo-fiara, dia ny biby samy hafa rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25D3EF56-9378-4AE3-AFD3-4B696D1F5A3E
11
Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin'ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CE0D5C8-4F15-40DB-B03E-CC94EC22820F
12
Ary hoy Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan-aina rehetra eo aminareo hatramin'ny taranaka fara mandimby:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B81B0A59-6C41-449C-96D1-BF001D9DA857
13
Ny avako efa napetrako eo amin'ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|716B21D6-D89C-476D-9337-D182E39B1CEB
14
Ary raha mampiangona rahona eo ambonin'ny tany Aho, ka hita eo amin'ny rahona ny avana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|021AD360-A5C2-410A-9224-AC0B19833F69
15
dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan-aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C25A9B4-2435-49F2-A55C-7BAD1C1B61BA
16
Ary ho eo amin'ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny zava-manan-aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A8AFA3C-1E80-4C07-B9B5-76B0A42D927C
17
Ary hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho amiko sy ho amin'ny nofo rehetra ambonin' ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|623030E8-D734-4D03-A07D-9958085DF84D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany