Andininy
Protestanta Malagasy
8
Ary Andriamanitra niteny tamin'i Noa sy tamin'ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|535855B4-300F-4EE6-87C2-60AAD1ABDB71
9
Indro, Izaho efa manorina ny fanekeko aminareo sy amin'ny taranakareo mandimby anareo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|764A0ACF-E6AD-46BC-8375-E1872114D130
10
sy amin'ny zava-manan-aina rehetra eo aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny bibi-dia rehetra eo aminareo: izay rehetra nivoaka avy tao anatin'ny sambo-fiara, dia ny biby samy hafa rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25D3EF56-9378-4AE3-AFD3-4B696D1F5A3E
11
Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin'ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CE0D5C8-4F15-40DB-B03E-CC94EC22820F
12
Ary hoy Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan-aina rehetra eo aminareo hatramin'ny taranaka fara mandimby:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B81B0A59-6C41-449C-96D1-BF001D9DA857
13
Ny avako efa napetrako eo amin'ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|716B21D6-D89C-476D-9337-D182E39B1CEB
14
Ary raha mampiangona rahona eo ambonin'ny tany Aho, ka hita eo amin'ny rahona ny avana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|021AD360-A5C2-410A-9224-AC0B19833F69
15
dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan-aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C25A9B4-2435-49F2-A55C-7BAD1C1B61BA
16
Ary ho eo amin'ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny zava-manan-aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A8AFA3C-1E80-4C07-B9B5-76B0A42D927C
17
Ary hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho amiko sy ho amin'ny nofo rehetra ambonin' ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|623030E8-D734-4D03-A07D-9958085DF84D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany