Eksodosy 1: 1-24

Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY izao no anaran'ny zanak'Isiraely izay niaraka tamin'i Jakoba nankany Egypta; samy nandeha mbamin'ny ankohonany avy izy rehetra:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1258391-DD03-4BBF-BAC6-74ADFCB4FEA8
2
Robena sy Simeona sy Levy ary Joda;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BDE1980-E4D5-4333-BB3F-65DB95B1EB5A
3
Isakara sy Zebolona ary Benjamina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3741CCBD-42AE-4CDB-A541-A862BDB7504D
4
Dana sy Naftaly, ary Gada sy Asera.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB3BD437-18BE-4A2D-8C09-15C51C18E34A
5
Ary ny isan'ny olona rehetra naterak'i Jakoba dia fito-polo; fa Josefa efa tany Egypta rahateo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E63F27A-FD30-405F-B0D7-5AB9881C4F7A
6
Ary maty Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin'izany taranaka rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF96A388-AC0C-46F8-8B9D-382FE0EC7C9D
7
Ary ny Zanak'Isiraely niteraka ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nihahery dia nihahery indrindra, ka dia henika azy ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6A15257-C90D-4CBE-AEBD-E0A73F520509
8
Ary nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta, izay tsy nahalala an'i Josefa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7961C80E-4405-4B18-9908-03A59B5E26C8
9
Ary izy niteny tamin'ny vahoakany hoe: Indro, ny firenen'ny Zanak'Isiraely efa maro sy mahery noho isika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F53A38B-3E50-4844-ADD5-F02104EFD62D
10
andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tahiny hisy ady, dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11F2BD71-122B-442F-899B-A103D0496934
11
Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin'ny fanompoany mafy. Ary nanao tanĂ na fitehirizana ho an'i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6A18B72-5F0C-48E6-BEBF-4971737A8835
12
Nefa araka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa; ka dia natahotra ny Zanak'Isiraely indrindra ny Egyptiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E210DD65-4F9D-4A01-9F50-4B3558E06165
13
Dia nampanompoin'ny Egyptiana fatratra ny Zanak'Isiraely,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8771363D-7890-46BD-B460-96D8ABF4E142
14
ka nataony mangidy ny fiainany tamin'ny fanompoana mafy, dia tamin'ny feta sy ny biriky mbamin'ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy fatratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F85C52C8-D329-4BC6-9633-D1CD1F0F4120
15
Ary ny mpanjakan'i Egypta niteny tamin'ny mpampivelona Hebreo (Sifra no anaran'ny anankiray, ary Poa no anaran'ny anankiray)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EE68895-D6E1-42EA-9C71-6F86AB0C2F59
16
ka nanao hoe: Raha mampivelona ny vehivavy Hebreo hianareo, ka hitanareo eo amin'ny fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa raha zazavavy kosa, dia velomy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F6A9F7C-A2C7-44F5-98BD-592BF3ABEB58
17
Nefa natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain'ny mpanjakan'i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|170D35D0-5290-4659-83FA-4B971C2A434F
18
Dia nampaka ny mpampivelona ny mpanjakan'i Egypta ka nanao taminy hoe: Nahoana no nanao izany zavatra izany hianareo, ka novelominareo ihany ily zazalahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4941A427-7468-4B64-AB42-E0ADF9B01259
19
Fa hoy ny mpampivelona tamin'i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona, dia velona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA41C17B-54B4-46BE-AB74-8558066325DE
20
Dia nasian'Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34320954-45C9-4E6D-83E3-F5677E5FB19F
21
Ary ramin'izany, satria natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona dia nomen'Andriamanitra zanaka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6673C85E-0498-446B-8F42-67084E3751A2
22
Dia nandidy ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an'i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8688EBD-7914-47F9-B282-6FAF38B7E5EB
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany