Andininy
Protestanta Malagasy
25
Ary dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ka dia nanehoan'i Jehovah hazo anankiray, ary rehefa natsipiny tao anatin'ny rano izany, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan'i Jehovah lalàna sy fitsipika ho azy, ary tao no nizaha ny toetra azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06F06055-6A94-4812-8FE3-6A280B27AFDB
26
ka hoy Izy: Raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin'ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABCA659C-7190-467F-B96B-37C181865B3A
27
ARY tonga tao Elima izy; ary tao nisy loharano roa ambin'ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo anilan'ny rano izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB197179-E88D-409F-9398-04B9C74396F2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany