Andininy
Protestanta Malagasy
13
Ary nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona Mosesy; ka dia nijanona teo anatrehan'i Mosesy ny olona hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6570F21-3DF1-4511-BD7A-CE44D4B0A349
14
Ary rehefa hitan'ny rafozan'i Mosesy izay rehetra nataony tamin'ny olona, dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin'ny olona izao? Nahoana no hianao irery ihany no mipetraka, fa ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|700F16BF-D263-4228-A850-3020A105E092
15
Ary hoy Mosesy tamin'ny rafozany: Satria mankaty amiko ny olona hanontany amin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D4218EF-CF3A-4B74-A7A5-E316002684BD
16
Raha misy manana ady izy, dia mankaty amiko, ka mitsara azy roa tonta aho, dia mampahalala azy ny didin'Andriamanitra sy ny lalàny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE4F05CF-B403-4D23-B033-6E88A20FDD06
17
Ary hoy ny rafozan'i Mosesy taminy; Tsy tsara izao zavatra ataonao izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C5693C3-144D-4AF0-91AD-D40045D17404
18
Samy ho reraka mihitsy, na hianao na izao olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D609B48C-D22B-4EF1-8688-FEC9E92075E1
19
Ary ankehitriny, dia maneke ny teniko, fa hanoro hevitra anao aho, ka Andriamanitra anie homba anao: Aoka hianao ho alalan'ny olona amin'Andriamanitra mba hitondranao ny teniny amin'Andriamanitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5181651C-CBD3-4506-8BE6-4462EA209C71
20
ary hampianatra azy ny didy sy ny lalàna izay mety halehany sy ny asa izay mety hataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66C664C0-B431-46D9-96DF-DB414DFD0208
21
Ary mizaha eo amin'ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an'Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly; ka manendre mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo ary mpifehy folo hifehy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCCA1420-B76A-490B-B2BD-DB7A06AB704C
22
Ary aoka ireo no hitsara ny olona mandrakariva, ka ny ady lehibe rehetra no aoka ho entiny aminao, fa ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany; dia ho maivamaivana kokoa aminao izany, ka dia hiara-mitondra aminao ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C61BFF8-CF9E-4054-BD86-646E7D66FC00
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany