Andininy
Protestanta Malagasy
1
TAMIN'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta, dia tamin'izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr'i Sinay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D79F8572-98A1-47E2-A5C8-8BAD181186AC
2
Ary rehefa nifindra niala teo Refidima izy ka tonga tany amin'ny efitr'i Sinay, dia nitoby teo amin'ny efitra; dia tandrifin'ny tendrombohitra no nitobian'ny Isiraely teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|502BCC47-A321-43CF-B736-417F3B25B14D
3
Ary Mosesy niakatra ho ao amin'Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin'ny taranak'i Jakoba sy hambaranao amin'ny Zanak'Isiraely:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05385864-C02B-450C-BF85-819114C7591C
4
Hianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho aty amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|678DC6BC-DF51-4D2F-9800-E18AC02545FE
5
Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BF5756C-A5EF-4990-982A-BA09BCF95D27
6
Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07024ED5-4473-4630-93F2-403C90938765
7
Dia nandeha Mosesy ka nampaka ny loholon'ny vahoaka, dia nalahany teo anatrehany ireo teny rehetra ireo, izay nandidian'i Jehovah azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C6A35A6-E693-4A52-9226-C6D2F40FE35F
8
Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin'i Mosesy tao amin'i Jehovah kosa ny tenin'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62ECA70E-33A9-4ADC-A1DF-D41E39F6F3E2
9
ARY hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin'ny rahona maizina, mba ho ren'ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran'i Mosesy tamin'i Jehovah ny tenin'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70C3C011-9288-48F7-9E2F-2413CB333E58
10
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandehana ho eny amin'ny olona, ka manamasina azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF2099D6-018B-47E8-A3BD-33F0F7C98878
11
ary aoka samy hiomana ho amin'ny andro fahatelo izy; fa amin'ny andro fahatelo no hidinan'i Jehovah ho eo imason'ny olona rehetra eo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30580C76-A3F2-4035-A44A-3BA75C728F1A
12
Dia hanisy fefy manodidina ho an'ny olona hianao ka hanao hoe: Mitandrema hianareo mba tsy hiakatra ao amin'ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03178C34-3D67-432F-A0E5-B5F4739422D1
13
tsy hisy tànana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao amin'ny tendrombohitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2271A803-2064-493D-8F55-9E742F8797A3
14
Dia nidina avy tao amin'ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin'ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75971506-C2E5-46C9-BB48-F17FBECE8BB4
15
Ary hoy izy tamin'ny olona: Miomàna hianareo ho amin'ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22525E8D-5DEA-4E67-A923-6D7AAA65F16D
16
Ary nony tamin'ny marain'ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin'ny tendrombohitra, ary nisy feon'anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DACAC71F-448A-48B3-B699-CA11872D5DB0
17
Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin'Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin'ny tendrombohitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94530145-DA03-4BFB-B07A-84E50C702916
18
Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E25E0C6-EC89-4B1C-99AD-B00A9A37C733
19
Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B4E17DE-21F4-4D87-822A-06328CD5F138
20
Ary Jehovah nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, dia teo an-tampon'ny tendrombohitra; ary Jehovah niantso an'i Mosesy hankeo an-tampon'ny tendrombohitra; dia niakatra Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E11CEBB-5ECB-4247-8DEB-8A935036DA85
21
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Midìna, ka pepero ny olona, fandrao hisisika hankao amin'i Jehovah izy mba hijery ka hahafatesana maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F912B6C6-6317-4575-BEB3-F6C1B036F2C2
22
Ary aoka ny mpisorona koa, izay manakaiky an'i Jehovah, hanamasina ny tenany, fandrao himaona hamely azy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F9F32B7-5A34-4E32-9C01-B26C2D6C825D
23
Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tsy mahazo miakatra ho eto amin'ny tendrombohitra Sinay ny olona; fa Hianao nandidy anay ka nanao hoe: Fefeo ny tendrombohitra, ka hamasino izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03AD39C9-0747-4EFC-9F54-66E82DD19058
24
Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana midina, nefa miakara hianao, ka ento hiaraka aminao Arona; fa ny mpisorona sy ny olona dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin'i Jehovah, fandrao haringana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31DC4020-0A8B-45EA-810B-B5B3B2261CCD
25
Ary Mosesy dia nidina nankeny amin'ny olona ka niteny taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B032D6AF-1745-425E-8821-1056820DB264
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany