Andininy
Protestanta Malagasy
4
Hianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho aty amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|678DC6BC-DF51-4D2F-9800-E18AC02545FE
5
Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BF5756C-A5EF-4990-982A-BA09BCF95D27
6
Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07024ED5-4473-4630-93F2-403C90938765
7
Dia nandeha Mosesy ka nampaka ny loholon'ny vahoaka, dia nalahany teo anatrehany ireo teny rehetra ireo, izay nandidian'i Jehovah azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C6A35A6-E693-4A52-9226-C6D2F40FE35F
8
Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin'i Mosesy tao amin'i Jehovah kosa ny tenin'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62ECA70E-33A9-4ADC-A1DF-D41E39F6F3E2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany