Andininy
Protestanta Malagasy
1
DIA nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|593826AA-B4CA-4534-89D1-E79AB3E8C109
2
Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B497FF47-97F1-4DF3-99E3-9BA1ECF9A1BB
3
Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41F95475-3628-49DE-BB4E-83B6C7DF2080
4
Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CC52CF2-2449-4F17-A7C7-9D570C28F85E
5
Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CA65DA2-38C2-49A2-BE1B-A68AB208DDBA
6
nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36C6B5F3-36F8-470F-B973-FAB111C39702
7
Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B75A0B0-B004-4817-8F7C-8B53D6D679C8
8
Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04D35CB6-626F-4192-8405-E7B8839CE570
9
Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E915D9C-A057-4850-A492-9E2AC6EAFDEE
10
Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory hianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C8D6533-A1C9-4A35-AB48-FBA2EB7A6936
11
Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61D73EF7-BF48-4EB8-9A8E-0CD8DBC6F3DB
12
Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro hianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73B00EC0-C8B7-44A4-A59E-6D6272355B0E
13
Aza mamono olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA5E14A8-DBC2-4204-BF49-ABF24F8A871A
14
Aza mijangajanga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E4CEA23-7316-48A6-A27B-369A4057D103
15
Aza mangalatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E7A7C2A-A34E-42C5-847A-F16F8B902AEC
16
Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62A8F70E-4ACB-4CB4-B253-0D5E3706F263
17
Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B831083F-5146-40A4-A04A-E35ED1D9FB12
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany