Andininy
Protestanta Malagasy
1
DIA nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|593826AA-B4CA-4534-89D1-E79AB3E8C109
2
Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B497FF47-97F1-4DF3-99E3-9BA1ECF9A1BB
3
Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41F95475-3628-49DE-BB4E-83B6C7DF2080
4
Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CC52CF2-2449-4F17-A7C7-9D570C28F85E
5
Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CA65DA2-38C2-49A2-BE1B-A68AB208DDBA
6
nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36C6B5F3-36F8-470F-B973-FAB111C39702
7
Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B75A0B0-B004-4817-8F7C-8B53D6D679C8
8
Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04D35CB6-626F-4192-8405-E7B8839CE570
9
Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E915D9C-A057-4850-A492-9E2AC6EAFDEE
10
Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory hianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C8D6533-A1C9-4A35-AB48-FBA2EB7A6936
11
Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61D73EF7-BF48-4EB8-9A8E-0CD8DBC6F3DB
12
Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro hianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73B00EC0-C8B7-44A4-A59E-6D6272355B0E
13
Aza mamono olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA5E14A8-DBC2-4204-BF49-ABF24F8A871A
14
Aza mijangajanga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E4CEA23-7316-48A6-A27B-369A4057D103
15
Aza mangalatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E7A7C2A-A34E-42C5-847A-F16F8B902AEC
16
Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62A8F70E-4ACB-4CB4-B253-0D5E3706F263
17
Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B831083F-5146-40A4-A04A-E35ED1D9FB12
18
Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon'ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD3986E0-FB92-404F-9357-AB75D7CE63E6
19
Dia hoy izy tamin'i Mosesy: Aoka ihany hianao no hiteny aminay, dia hihaino izahay; fa aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5406C04-EC25-4172-A4F6-97CACE440DE9
20
Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan'ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanota nareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5F0B90E-1999-4DB5-A62A-461EF55C4F68
21
Dia nijanona teny lavitra eny ny olona, fa Mosesy kosa nanakaiky ny aizim-pito, izay nitoeran'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDFBB2E6-01CA-4688-AD42-7EB4B0877246
22
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izao no lazaonao amin'ny Zanak'Isiraely: Hianareo efa nahita fa tany an-danitra no nitenenako taminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|991CF583-5458-4FC7-AF20-8EA53E542131
23
Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D82CC55-F7C4-4F85-9464-B2F0C6C78BC7
24
Alitara tany no hataonao ho Ahy, ka haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman-osinao sy ny ombinao; eo amin'ny fitoerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06934983-8D4F-4A06-A682-F6F5A56B3ADD
25
Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa raha manainga ny fandrakao ho aminy hianao, dia handoto azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8D454E4-FE6C-40D5-8600-FB113915B206
26
Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin'ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A913C15-BCB7-4509-8214-4F5F18E25D74
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany