Andininy
Protestanta Malagasy
2
Raha mividy andevo Hebreo hianao, dia enin-taona no hanompoany, ary amin'ny taona fahafito dia hiala ho afaka fotsiny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEB4EAB3-AB82-4EF5-AF53-397A99A96A70
3
Raha izy irery ihany no miditra, dia izy irery hany no hiala; fa raha manam-bady izy, dia hiala hiaraka aminy koa ny vadiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BCB79CA-2025-4842-BF39-F2F1B2D696E2
4
Raha manome vady azy ny tompony, ka miteraka zazalahy na zazavavy aminy izy, dia ho an'ny tompony ihany ny vadiny sy ny zanany, fa izy irery ihany no hiala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD36EBC3-6102-45B2-B730-A406C669DE95
5
Fa raha milaza marimarina ilay andevo ka manao hoe: Tsy foiko ny tompoko sy ny vadiko ary ny zanako, ka tsy te-ho afaka aho,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB1FE8B5-D070-4386-80B6-9A5E9A263C06
6
dia ho entin'ny tompony ho eo anatrehan'Andriamanitra izy, ary dia ho entiny ho eo amin'ny varavarana, na ho eo amin'ny tolam-baravarana, ka hotevehin'ny tompony amin'ny haolo ny sofiny; dia hanompo azy mandrakizay izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0A1120C-3892-43CB-A52D-15E6ADB78EC1
7
Ary raha misy mivaro-janakavavy ho vaditsindranon'olona, dia tsy mba ho tahaka ny fialan'ny andevolahy ho afaka no fialany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9E31671-8032-4E9F-8928-E647E0C1A3D5
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany