Andininy
Protestanta Malagasy
1
Raha azo manamitrano ny mpangalatra ka asiana ho faty, dia tsy hisy valin-dra amin'izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A72249D-35BC-469A-8D02-46BC4E7F95F1
2
fa raha tratry ny masoandro miposaka kosa izy, dia hisy valin-dra ihany amin'izany; hanonitra tokoa izy; ary raha tsy manana na inona na inona, dia hamidy izy noho ny halatra nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D043569-2C82-4B25-8E8E-23D1FCEFE8D1
3
Raha hita marina velona eo aminy ny halatra na omby, na boriky, na ondry, na osy, dia hanonitra roa heny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10DA8D80-9C38-4E4E-BCE0-89B087F7AC2D
4
Raha misy olona mampitondraka amin'ny voly na tanimboaloboka, fa alefany handeha ny bibiny, ka homana ny volin'olona izany biby izany, dia amin'ny tsara indrindra ao amin'ny sahany, ary amin'ny tsara indrindra ao amin'ny tanimboalobony, no hanonerany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D57D903-2F78-4820-88FF-B006E5B461AE
5
Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo, ka may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FD2340A-9F15-43C7-8CB4-9042DB43293A
6
Raha misy olona mampitahiry vola na fanaka ny namany, ka angalarin'ny sasany ao amin'ny tranon'ilay olona izany, raha hita ny mpangalatra, dia hanonitra roa heny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|077E3278-C918-4FEC-8581-0BB7F718BD7E
7
Fa raha tsy hita kosa ny mpangalatra, dia ho entina eo anatrehan'Andriamanitra ny tompon'ny trano mba hizahana na naninjitra ny tànany ka naka ny fananan'ny namany izy, na tsia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BC2AB94-C17C-4D8B-9D7F-A4C4F894F541
8
Ny amin'ny zavatra ifandirana rehetra, na omby, na boriky, na ondry, na osy, na fitafiana, na zavatra very, izay ataon'olona ho azy, dia ho entina eo anatrehan'Andriamanitra ny tenin'izy roa tonta, koa izay helohih'Andriamanitra dia hanonitra roa heny ho an'ny namany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|214AB666-BF1D-46D2-A285-4A0C0DC227B4
9
Raha misy olona mampitahiry ny namany boriky, na omby, na ondry, na osy, na biby fiompy hafa, ka maty izany, na maratra, na roahina ka tsy misy mahita,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|551E94AA-0CA0-4154-99AF-7B54F376674A
10
dia fianianana amin'i Jehovah no hitsarana azy roa tonta, hahafantarana na efa naninjitra ny tànany ka naka ny fananan'ny namany ilay anankiray, na tsia; ary heken'ny tompony izany, dia tsy hisy onitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCC56AD2-EBB6-4465-99BA-8D09553208B6
11
Fa raha nangalarina tany aminy tokoa izany, dia hanonitra ho an'ny tompon-javatra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|762B45BD-80C2-4AA6-A656-7BC01795B8E7
12
Raha voaviraviram-biby izany, dia hitondra azy ho vavolombelona izy; tsy hanonitra izay voaviravira izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9968FD1B-2EF3-42DA-94F5-179DE98BA01D
13
Ary raha misy olona mindran-javatra amin'ny namany, ka simba na maty izany, nefa tsy mba teo aminy ny tompon-javatra, dia hanonitra tokoa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2ECAE51-183E-4240-953E-6DEEB3AE18B4
14
Fa raha teo aminy ihany ny tompon-javatra, dia tsy hanonitra izy; ary raha zavatra ahofa kosa, dia vitan'ny hofany izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|261881B6-63AE-4E85-9D3F-2A64F6229A30
15
Ary raha misy olona mitaona zazavavy, izay tsy voafofo, ka mandry aminy, dia hanome harena azy izy mba ho vadiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CCA2D88-9CC0-4895-A5C5-5F94755438F6
16
Fa raha mandà tokoa ny rainy ka tsy manome azy ho vadiny, dia handoa vola ralehilahy araka ny harena fanome zazavavy hampakarina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F8BAD48-B530-427A-9BE9-45957BC305D9
17
Aza velomina ny vehivavy manana ody.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8E4AAA5-600E-41C2-B248-C48DB08E9F4C
18
Izay rehetra mandry amin'ny biby dia hatao maty tokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C963B08-F662-47F5-98A5-AE3A79CF3D60
19
Izay mamono zavatra hatao fanatitra amin'ny andriamanitra hafa, afa-tsy amin'i Jehovah ihany, dia ho voaozona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EA7DBC7-E7CB-4C8F-A70C-834DDF6BBD0D
20
Ary aza manao izay sarotra amin'ny vahiny, na mampahory azy; fa ela mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ihany hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8E79134-8EF9-4B6A-9FBE-22F294F06FBA
21
Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2B00DB9-8BD2-4078-B27F-CD0755F9E68D
22
Fa raha mampahory azy na amin'inona na amin'inona hianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF2F4AB8-E7C0-4821-8589-7D2995E926AF
23
ka hirehitra ny fahatezerako, ary hamono anareo amin'ny sabatra Aho; dia mba ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty kosa ny zanakareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A490C53-6751-418B-973E-59399E60A93B
24
Raha mampisambo-bola ny oloko izay malahelo eo aminao hianao, dia tsy ho toy ny mpampanana vola aminy; fa tsy hampandoa zana-bola azy hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E700605-074D-4D60-92AA-E4BEC8FA96BF
25
Raha maka ny lamban'ny namanao ho tsatoka hianao, dia hampodinao aminy izany, raha mbola tsy milentika ny masoandro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE459DD1-7120-4A34-AB7C-4D362F405294
26
Fa izany ihany no firakofany sady fitafiany amin'ny hodiny, ka inona no ho entiny mandry? ary raha mitaraina amiko izy, dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1343DA76-3229-490B-B0A9-E51EE5017D41
27
Aza miteny ratsy an'Andriamanitra hianao, na manozona ny mpanapaka ny firenenao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE2E91D8-116A-4D86-BCE5-C786A2958F56
28
Aza atao ela vao manatitra ny santatry ny vokatrao sy ny fisotronao; ny matoa amin'ny zanakao-lahy dia omeo Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|140863FB-B2C7-4506-8EFB-0FAE41829C4C
29
Izao no hataonao amin'ny ombinao sy ny ondry aman-osinao; hafitoana no hitoerany ao amin'ny reniny; ary amin'ny andro fahavalo no hanateranao azy ho Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CE91A40-E0B4-4992-B7DF-32E1A182C500
30
Ary ho olona masina ho Ahy hianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo; fa harianareo ho an'ny amboa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9A77F61-742A-4FCA-8F3C-E503587C1D8C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany