Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Mosesy niandry ny ondry aman-osin'i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia nitondra ny ondry aman-osy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB357B64-5142-4C29-BB4F-D3C6EB0C798E
2
Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin'ny roimemy anankiray; dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E97B793-A910-487D-B811-2413E6AD2180
3
Ary hoy Mosesy: Hivily kely aho ka hizaha io fahitana lehibe io, hahafantarako izay tsy ahalevonan'ny roimemy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFEA2730-FF99-44B6-B654-F63385905C87
4
Ary rehefa hitan'i Jehovah fa nivily hizaha izy, dia niantso azy tao afovoan'ny roimemy Andriamanitra ka nanao hoe: Ry Mosesy, ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FE84A64-5808-4F8A-B3CE-5931045651C8
5
Ary hoy Izy: Aza manakaiky ety; esory ny kapanao amin'ny tongotrao, fa tany masina io ijanonanao io.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61CD1454-A9C1-4FFE-87F4-6C1CE9195EE1
6
Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamahitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an'Andriamanitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A3DE924-8D03-44A8-8B8E-7DD9591FF79C
7
Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian'ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon'ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|367E4FEA-5503-4C2A-BD13-4CC6C2D353D3
8
dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin'ny tànan'ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin'izany tany izany ho any amin'izay tany soa sy malalaka, dia any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BEAEDF6-2198-4357-9823-12191B34BD4E
9
Ary ankehitriny, indro, ny fitarainan'ny Zanak'Isiraely dia efa mby aty amiko, sady efa hitako koa ny fahoriana izay ampahorian'ny Egyptiana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3AD20F0E-C969-4F80-970E-CF9F5E52A0FB
10
Koa avia ankehitriny hianao hirahiko ho any amin'i Farao hitondra ny Zanak'Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9538D313-84E7-4EE3-8940-54FA90FBBE3A
11
Fa hoy Mosesy tamin'Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin'i Farao sy hitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any Egypta?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|978C05FC-75A2-45AB-8D8E-0E0B5B7F2542
12
Ary hoy Izy: Homba anao tokoa Aho; ary izao no famantarana ho anao fa Izaho no efa naniraka anao; rehefa entinao mivoaka avy any Egypta ny olona, dia hanompo an'Andriamanitra eto amin'ity tendrombohitra ity hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DD44F7E-415B-41C8-933A-1678F7CAA2AA
13
Ary hoy Mosesy tamin'Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin'ny Zanak'Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho aty aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55FD7C41-610C-4740-9017-D6A4D9BB6E04
14
Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: IZAHO IZAY Izy no efa naniraka ahy ho aty aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2472CD4D-F7FB-4316-97B7-81D22F33069B
15
Ary hoy koa Andriamanitra tamin'i Mosesy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba, no efa naniraka ahy ho aty aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin'ny taranaka fara mandimby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31D20992-57C2-486A-ADB3-6DE491FB2BFD
16
Mandehana, dia angony ny loholon'ny Isiraely, ka lazao aminy hoe: Efa niseho tamiko Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nanao hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny anaovana anareo aty Egypta;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1681ADB2-5A9B-47CA-849F-44214C8B6A31
17
ary hoy Izaho: Hitondra anareo hiakatra Aho ho afaka amin'ny fahoriana aty Egypta ho any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ho any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|066DBA32-7A1C-45EA-B83C-B8E22986E170
18
Dia hihaino ny feonao izy; ary hankao amin'ny mpanjakan'i Egypta hianao sy ny loholon'ny Isiraely ka hilaza aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, efa nihaona taminay; ary ankehitriny, trarantitra hianao, aoka handeha làlan-kateloana any an-efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30D3E3DE-2B14-4FF9-A48C-43E357C8DDA7
19
Kanefa Izaho mahalala fa tsy havelan'ny mpanjakan'i Egypta handeha hianareo, tsia, na dia amin'ny tànana mahery aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27148F07-79E4-4522-9C26-3AE7E90B26D0
20
Dia haninjitra ny tanako Aho ka hamely an'i Egypta amin'ny fahagagana rehetra izay hataoko eo aminy; ary rehefa afaka izany, dia vao handefa anareo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBC7BA67-EF92-420E-A27D-0C5CB7BD31A5
21
Ary hataoko mahita fitia eo imason'ny Egyptiana ity firenena ity, ka raha handeha hianareo, dia tsy mba handeha maina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63A1685B-EBA0-4105-BD58-2889AA065A93
22
fa ny vehivavy samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin'ny miray monina aminy sy amin'izay mivahiny ao an-tranony; dia hataonareo amin'ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy izany, ka dia hofoananareo ny Egyptiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97CBA449-40E3-4C07-B9F1-0B94BFA256F4
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany