Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary namaly Mosesy ka nanao hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DA62C17-CB7E-46F6-B69E-935970C0FF1E
2
Ary hoy Jehovah taminy: Inona moa iny an-tànanao? Dia novaliany hoe: Tehina ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DFD8D82-8233-4032-97A6-CFB440291022
3
Ary hoy Izy: Atsipazo amin'ny tany iny. Dia natsipiny tamin'ny tany ka tonga menarana, dia nandositra azy Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDB655EA-D8B9-4C57-97F1-2C0E8DD5B9CF
4
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ny tànanao, ka raiso amin'ny rambony iny, dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy; dia tonga tehina teo an-tànany indray izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|309E9007-02D7-4776-A674-EC8C7C8E2BAE
5
mba hinoan'ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|399DA7B6-C428-42BE-9E2A-7FCE7B14ABDB
6
Ary hoy koa Jehovah taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tànanao. Dia natsofony tao an-tratrany ny tànany; ary nony notsoahany, dia, indro, efa boka ny tànany ka fotsy tahaka ny orampanala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECFF0465-988F-4F60-ACAF-3CBAA5F9DE59
7
Ary hoy koa Izy: Atsofohy ao an-tratranao indray ny tànanao (dia natsofony tao an-tratrany indray ny tànany; ary nony notsoahany tamin'ny tratrany, dia, indro, efa tonga tahaka ny hodiny indray izy).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF862DF2-00A8-4B7E-97A9-C529F93FAB89
8
Ary raha tsy hino anao izy ka tsy hihaino ny feon'ny famantarana voalohany, dia hino ny feon'ny famantarana aoriana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F17CE100-166D-4CD8-AE61-424F324E2E75
9
Ary raha tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily hianao, ka haidinao amin'ny tany maina; ary izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga ra eo amin'ny tany maina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7CCEC00-BE15-41D8-A82E-3C297D3BB4E5
10
Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin'izao itenenanao amin'ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFC22282-0EB0-46FE-93A3-2598E020E00B
11
Ary hoy Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan'ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|895EDDF7-DC02-45F0-8B74-1A6C1E80264C
12
Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C8A911F-8C94-4A9A-A032-5ABF641849BD
13
Fa hoy izy: Tompo ô! mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D2D1825-16FD-4895-B6E2-D4F52F3C321F
14
Dia nirehitra tamin'i Mosesy ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98049883-51E1-42C6-93DB-FFD3DF11E9F2
15
Dia hiteny aminy hianao ka hanolo-teny azy; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka hanoro anareo izay hataonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9680A171-C8E7-41A1-863E-68AEC04D3370
16
Ary izy hiteny amin'ny olona hisolo anao; ka dia izy no ho solovavanao, ary hianao kosa ho solon'Andriamanitra aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91CC2502-59AD-440E-8E78-2EEDC82BFB26
17
Dia ho entinao eny an-tànanao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68B870C3-E8F4-46BF-879E-FA081C1EECED
18
Dia lasa nandeha Mosesy ka niverina ho any amin'i Jetro rafozany ka nanao taminy hoe: Masìna hianao, aoka aho handeha hiverina ho any amin'ny rahalahiko, izay any Egypta, ka hizaha na mbola velona ihany izy, na tsia. Ary hoy Jetro tamin'i Mosesy: Mandehana soa aman-tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E874F4C-F2B7-4596-915B-DD410D85A362
19
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy tany Midiana: Mandehana miverina any Egypta, fa maty ny olona rehetra izay nitady ny ainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A1E386A-DCB8-4BD9-AE83-7D2CDAF807D7
20
Dia nalain'i Mosesy ny vadiny sy ny zanani-lahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin'ny tany Egypta izy; ary nentin'i Mosesy teny an-tànany ilay tehin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFC1D706-65A9-493D-BF22-55072B7A594E
21
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta hianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tànanao, dia ataovy eo anatrehan'i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C12F35E-4F02-41C5-B129-6AB5D24268D2
22
Ary lazao amin'i Farao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zanako lahimatoa Isiraely;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51182802-4927-47BA-954D-3E1634875B1A
23
koa efa nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy handefa azy hianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3BB050B-A9F4-4B39-8946-D066FFE34272
24
Ary nony tany an-dàlana tao amin'ny fandriam-bahiny izy, dia nitsena azy Jehovah ka nitady hamono azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7941BABD-AE48-4C80-B14B-279DA2FC1424
25
Dia naka fiharatra vato Zipora ka namora ny zanany, ary izay nesoriny dia natsipiny teo anilan'ny tongony, ka hoy izy: Efa vady azoko amin'ny fandatsahan-dra hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E91F4DC9-FC67-49F9-ACA8-770B0A4B115F
26
Dia niala taminy Izy; ary hoy ravehivavy: Vady azo amin'ny fandatsahan-dra manao, noho ny fora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8CE7BAF-2FF2-4383-9D7D-BA782694FFBB
27
Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Mandehana hitsena an'i Mosesy any an-efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra, dia nanoroka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AECE7F76-D35E-4E5D-ADF0-027A9265A2B9
28
Ary nambaran'i Mosesy tamin'i Arona izay teny rehetra efa nanirahan'i Jehovah azy sy izay famantarana rehetra efa nandidiany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F54E86F-C7B5-46E7-8D88-7BBBEF58B19F
29
Dia lasa nandeha Mosesy sy Arona ka nanangona ny loholon'ny Zanak'Isiraely rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5AE4D5DD-7D4D-47C0-B7F0-4EC6FD723BB2
30
Dia nolazain'i Arona ny teny rehetra izay efa nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy, sady nataony teo imason'ny olona ny famantarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87FD431E-AA66-4F10-921E-79919A9B178E
31
Dia nino ny olona; ary rehefa reny fa Jehovah efa namangy ny Zanak'Isiraely ka efa nitsinjo ny fahoriany, dia niondrika izy ka niankohoka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E34E1250-2F88-4D93-8E5E-D487ED1D1E59
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany