Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, efa nataoko andriamanitra ho an'i Farao hianao; ary Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E6B1D30-95AB-4A37-8765-50A395E7C9C1
2
Hianao hilaza izay rehetra nandidiako anao, ary Arona rahalahinao kosa hilaza amin'i Farao, mba handefasany ny Zanak'Isiraely hiala amin'ny taniny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26E25087-7608-403B-9002-3916D2DFBF5C
3
Ary Izaho hanamafy ny fon'i Farao sy hanamaro ny famantarana sy ny fahagagana izay hataoko eto amin'ny tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F8AAC0C-7988-4E11-B67C-F937F96BC7D9
4
Fa tsy hihaino anareo Farao, ka dia hamely an'i Egypta ny tànako, ary fitsarana lehibe no hitondrako ny antokon'ny Zanak'Isiraely oloko hiala amin'ny tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|658F6A36-AE16-40E2-AB7A-13DD27E550A5
5
Dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa maninjitra ny tànako amin'i Egypta Aho ka mitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76913E7C-23A8-41B7-A687-D508EE1F6DA3
6
Dia nataon'i Mosesy sy Arona izany: araka izay nandidian'i Jehovah azy no nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2ECE793-5206-4C12-959D-4AEBD3C5B05C
7
Ary efa valo-polo taona Mosesy, ary efa telo amby valo-polo taona kosa Arona, raha niteny tamin'i Farao izy mirahalahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE7D26EA-1D9F-4CEC-AD97-6714387C560B
8
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86F418B8-547F-4D50-BCC8-4AC867ED5FF7
9
Raha miteny aminareo Farao ka manao hoe: Manaova fahagagana hanambara anareo, dia lazao amin'i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka atsipazo eo anatrehan'i Farao, dia ho tonga menarana iny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|687C0364-E583-4C41-AE1D-B335A3717FF5
10
Ary Mosesy sy Arona nankao amin'i Farao ka nanao araka izay efa nandidian'i Jehovah; dia natsipin'i Arona teo anatrehan'i Farao sy teo anatrehan'ny mpanompony ny tehiny, ka tonga menarana iny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51AF33E8-ADE0-4241-B90D-7E0104CDD49F
11
Dia nampanalain'i Farao ny olon-kendry sy ny mpanana ody; ary ireo ombiasy teo Egypta ireo dia nanao toy izany tamin'ny fankatovany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFA5D607-45CD-4E74-BBF5-EA74E38EBA67
12
Fa samy nanipy ny tehiny avy izy ireo, ka tonga menarana ireny; nefa ny tehin'i Arona nitelina ny tehin'ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A171C301-912A-4405-A62E-E635802E2DC9
13
Dia nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC1CCCF1-CDCA-45ED-8A60-69B61B0741EF
14
ARY hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Efa mafy ny fon'i Farao, ka mandà tsy handefa ny olona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE17E247-3E26-43D8-9B95-86C8C75A2E44
15
Mankanesa ao aminy hianao rahampitso; indro, hivoaka ho any amin'ny rano izy; dia mijanona eo amoron'i Neily hianao ambara-pihaviny (ary ny tehina, ilay novàna ho menarana, ho entinao eny an-tànanao),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B27A5B6C-047C-4448-ACA0-DABCD526BE2B
16
dia lazao aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy nankaty aminao hanao hoe: Alefaso ny oloko mba hanompoany Ahy any an-efitra; fa, indro, tsy nihaino hianao mandraka ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55421C76-65B8-4315-AD93-0EC057AF2B42
17
Koa izao no lazain'i Jehovah: Izao no hahafantaranao fa Izaho no Jehovah: indro, ny tehiko ety an-tanako no hikapohako ny rano ao Neily, ka ho tonga ra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F56D40F2-8DA8-4C5F-ABAA-8DA79D1E4634
18
Dia ho faty ny hazandrano ao Neily, ka ho maimbo Neily, ary tsy ho tian'ny Egyptiana intsony ny hisotro ny rano ao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA1B4E5F-FA5B-46A2-9DF6-224DA1C1E5EC
19
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka ahinjiro ambonin'ny ranon'i Egypta ny tànanao, dia ambonin'ny sampan-dranony sy ambonin'ny lahin-dranony, sy ambonin'ny heniheniny, ary ambonin'ny kamoriny rehetra, mba ho tonga ra ireny; ary hisy ra eran'ny tany Egypta rehetra, na amin'ny fitoeran-drano hazo na amin'ny fitoeran-drano vato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DCBE65B-4C7F-4CA5-ADA7-7E261C4B7D00
20
Ary nataon'i Mosesy sy Arona izany, araka izay nandidian'i Jehovah; dia nanainga ny tehina izy ka namely ny rano tao Neily teo imason'i Farao sy teo irnason'ny mpanompony, dia tonga ra ny rano rehetra tao Neily;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|177D2954-33B3-431F-BEFE-60D1DDB1B591
21
koa maty ny hazandrano izay tao Neily, dia maimbo Neily, ka tsy azon'ny Egyptiana nosotroina ny rano avy ao; ary ny ra dia nanerana ny tany Egypta rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A403FC1-73D7-4E8A-9C3B-0869019B48C7
22
Ary ny ombiasy teo Egypta, dia mba nanao toy izany koa tamin'ny fankatovany; ka dia nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83CEBD3F-EF27-4CEE-B53B-AC514603DA6B
23
Dia niverina Farao ka nankao an-tranony, kanefa tsy mba nahoany akory, na dia izany aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1354BB8-164E-434E-9139-C1F40B709F6A
24
Dia nihady rano hosotroiny teo amoron'i Neily ny Egyptiana rehetra; fa tsy azony nisotroana ny rano tao Neily.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4B17EE4-415C-448E-BD7F-491C8FFB9052
25
Ary nisy hafitoana taoria'ny namelezan'i Jehovah an'i Neily.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE8014C5-11A1-435F-942A-18EECD4A9914
26
DIA hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC5AE035-5315-4ADA-9D6B-91613BD3D2A0
27
Fa raha mandà ka tsy mandefa azy hianao, indro, Izaho hamely ny taninao rehetra amin'ny sahona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B5FD951-78AD-4196-923C-484222ABA2D5
28
dia hisy sahona betsaka any Neily, ary hiakatra ireny ka hankao amin'ny tranonao sy ny trano fandrianao sy eny ambonin'ny farafaranao sy any amin'ny tranon'ny mpanomponao sy amin'ny vahoakanao ary eny amin'ny fanendasa-mofonao sy eny amin'ny vilia fanaova-mofonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED0CD2B7-946E-4496-9C54-70DDFB45FA10
29
Dia ho aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra no hiakaran'ny sahona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B60B9E7F-F17E-4731-BF3E-5E2BA8A3310A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany