Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B3AA8CD-31A6-45F4-B755-1315F272262E
2
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny lehilahy rehetra izay marary mitsika dia haloto noho ny fitsihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|253C2978-56AB-438E-A54D-1657422F1C97
3
Ary izao no ho fahalotoany, raha marary mitsika izy: na mandeha ny fitsihany, na tsy mandeha, dia samy fahalotoana ihany izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFC2841C-03AD-4D0F-9589-09778EF78AE0
4
Maloto ny fandriana rehetra izay andrian'ny marary mitsika; ary maloto ny zavatra rehetra izay ipetrahany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE9DA5E3-7B8A-4C83-80B9-6D7E99D237F1
5
Ary izay rehetra mikasika ny fandriany, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C84C18E4-B298-4E05-B6C5-5C3BD81222D8
6
Ary izay mipetraka amin'ny zavatra izay efa nipetrahan'ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandrapaharivan'ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A1C7478-110B-48E2-A2C2-EC20C8EA219A
7
Ary izay mikasika ny tenan'ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandrapaharivan'ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCE1AF97-C390-4335-8B75-378D6FD9BC72
8
Ary raha misy olona madio voaroran'ny marary mitsika, dia hanasa fitafiana izy sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3F232CD-6FBA-47C6-882C-DCBF52AC7DC7
9
Ary haloto ny lasely rehetra izay itaingenan'ny marary mitsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27A734DF-3DB8-4978-8675-0BA9BFD55D57
10
Ary izay rehetra mikasika izay zavatra teo ambaniny dia haloto mandrapaharivan'ny andro; ary izay mitondra izany zavatra izany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF45BED4-7EEA-4E34-8303-E0F01AB59F47
11
Ary izay rehetra voakasiky ny marary mitsika, kanefa ilay marary tsy mbola nanasa ny tànany tamin'ny rano, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0F9918A-BE55-46A6-9DB7-2726F24754F1
12
Ary hovakivakina ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika; ary hosasana amin'ny rano kosa ny fanaka hazo rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|558DA049-7FF5-4C92-827F-92D0D0597331
13
Ary raha sitrana amin'ny fitsihany ny marary mitsika, dia hiandry hafitoana ny amin'ny fanadiovana azy izy; ary hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano mandeha izy, dia hadio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A7B8FED-7BAD-4B19-B689-B8C2B7F2BAB4
14
Ary amin'ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy ka hankeo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, dia hanolotra ireo ho amin'ny mpisorona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF30A3BB-AB2F-4DF6-86D6-D6C49D8BF5C9
15
Dia haterin'ny mpisorona ireo, ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona noho ny fitsihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|167A3EC3-FE17-4282-BA30-8442E48E2311
16
Ary raha miala amin'ny lehilahy ny azy, dia hanasa ny tenany rehetra amin'ny rano izy ary haloto mandra-paharivan'ny andro;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2E6395E-575B-44B2-B5C9-6D71EE40564E
17
ary hosasana amin'ny rano ny fitafiany rehetra sy ny hoditra rehetra, izay nilatsahan'ny azy; dia haloto mandra-paharivan'ny andro izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32C77FE2-294D-4203-96D2-B9E24DCBD47E
18
Ny vehivavy izay andriandehilahy koa, dia samy handro amin'ny rano izy roroa ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB16E4FE-E2FC-488F-AA43-6B60FFED22E5
19
Ary raha misy vehivavy mararin'ny fadimbolany, dia haloto hafitoana izy; ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandrapaharivan'ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82718ED0-A28E-4931-B965-E987A9001971
20
Ary ny zavatra rehetra izay andriany amin'ny andro fahalotoany dia haloto koa; ary ny zavatra rehetra izay ipetrahany dia haloto koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9963AF4-D1CF-4DDB-99CA-06EDB5FACBDD
21
Ary izay rehetra mikasika ny fandriany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandrapaharivan'ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|754318E5-1045-45E0-AEF0-F9F7E7578DAA
22
Ary izay rehetra mikasika ny zavatra izay efa nipetrahany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1433873-D976-4AD6-8A99-2443527175E3
23
Ary raha ao amin'ny fandriana izany, na ao amin'ny zavatra izay efa nipetrahany, raha nikasika izany izy, dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4C1AB6D-46A7-47D9-B2CC-65D5D7C200CD
24
Ary raha misy lehilahy mandry amin-dravehivavy, ary mankeo aminy ny fadimbolany, dia haloto hafitoana izy, ary izay rehetra andriany dia haloto koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DFA0715-9361-4732-A6C1-3DCD9BA3B1C8
25
Ary raha misy vehivavy marary mitsi-dra ela, na dia tsy amin'ny andro fahalotoany amin'ny fadimbolany aza, na raha misy mararin'ny fadimbolana ka mandeha mihoatra noho ny fihaviny, dia haloto izy amin'ny andron'ny faharariany rehetra, tahaka ny amin'ny andro fahalotoany ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B2D1356-CBAB-45A4-9EF0-53E32D6719BB
26
Ny fandriana rehetra andriany amin'ny andron'ny fahalotoany rehetra dia hataony tahaka ny fandriana nandriany tamin'ny andro fahalotoany; ary izay rehetra ipetrahany dia haloto koa tahaka ny fahalotoany amin'ny faclimbolany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|782EFCAE-F7FC-43B5-A434-E0F7ACEB413E
27
Ary izay rehetra mikasika izany zavatra izany dia haloto; ary hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano izy ary haloto mandrapaharivan'ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E59AF9A-422F-4BB2-B80F-73684C49E30D
28
Fa raha sitrana amin'ny faharariany ravehivavy, dia hiandry hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia hadio izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2088A04B-BFA2-4002-BC0D-E84A38A217A6
29
Ary amin'ny andro fahavalo dia haka domohina roa na zana-boromailala roa ho azy izy ka hitondra ireo ho eo amin'ny mplsorona, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83870BEC-1F52-4CD1-9D95-597CE4B72AE7
30
Dia haterin'ny mpisorona ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota ary ny anankiray hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho an-dravehivavy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02F2B1CC-4CA4-4507-8F36-863B50A82BDD
31
Dia hampisarahinareo amin'ny fahalotoany ny Zanak'Isiraely, tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo aminy, ka tsy hahafaty azy ny fahalotoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCBDEF7E-7D5B-47B5-A29F-A6B37418A988
32
Izany no lalàna ny amin'ny marary mitsika, sy ny amin'izay ialan'ny azy, ka mahaloto azy izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65E048FB-246E-4CB3-844E-8D73D2D0F7CA
33
ary ny amin'ny mararin'ny fadimbolany, ary ny amin'ny marary mitsika, na lehilahy na vehivavy, ary ny amin'izay mandry amin'ny vehivavy maloto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3ABBD48E-C8F3-4CAF-9153-374E04CABBFA
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany