Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin'ireo mpisorona, zanak'i Arona, hoe: Aoka hianareo tsy hisy hiditra am-paty eo amin'ny fireneny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F36719B3-FEBD-41D0-A86F-1A0B62AB71C7
2
afa-tsy amin'ny tahaka ny tenany, dia ny reniny sy ny rainy sy ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy ary ny rahalahiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E1B405C-443F-4D2F-B5F9-09D3C3843E2A
3
ary amin'ny fatin'ny anabaviny, izay tahaka ny tenany ihany koa sady tsy mbola manam-bady fa virijina, no ahazoany mandoto ny tenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F0DFC4F-CBE3-4973-8B73-BAF7BFD8B4CC
4
Tsy hiditra am-paty hametaveta ny tenany izy, satria andriana eo amin'ny fireneny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4575ECB-9989-4581-B937-34F44DAE2CF2
5
Tsy hanasola ny lohany izy, na hanaratra ny vaokany, na hitetika ny tenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B562FAC6-8F29-4559-ABCB-7A3CF17E8282
6
Ho masina ho an'Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran'Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izy, dia ny hanin'Andriamaniny, ka dia tokony ho masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEF3276F-A12C-474C-BC6B-3D861B3858FE
7
Aoka tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran'ny lahy; fa masina ho an'Andriamaniny ny mpisorona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A3BF6AD-4F15-4EDF-89DA-B779ACAF735D
8
Dia hamasino izy, fa ny hanin'Andriamanitrao no ateriny; ho masina aminao izy, fa masina Aho Jehovah, Izay manamasina anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9FA9798-AD63-4BE9-BCCE-538FAFA10B70
9
Ary raha ny zanakavavin'ny mpisorona mandoto ny tenany amin'ny fijangajangana, dia efa manamavo ny rainy izy ka hodorana amin'ny afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA77F3F4-F616-4E0D-A2EB-C8E55532234D
10
Ary ny mpisoronabe, izay nalaina tamin'ny rahalahiny, ka nanidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sady natokana hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo, na handriatra ny fitafiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F214F623-1EC8-4637-B0FA-14753437B197
11
Ary aoka tsy hiditra am-paty akory izy, ka tsy handoto ny tenany na dia amin'ny rainy aman-dreniny aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96B86E83-B101-49A3-8D1E-282EC0E62116
12
Ary aoka tsy hivoaka avy amin'ny fitoerana masina izy, na handoto ny fitoera-masin'Andriamaniny; fa ny diademany, dia ny diloilo fanosoran'Andriamaniny azy, no eo andohany: Izaho no Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CDB4879-EA04-48A5-8500-8B6E3CF58069
13
Ary aoka hampakatra izay vehivavy mbola virijina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E3AD349-88FB-4BEB-8EBB-843EB80CB6E6
14
Fa ny maty vady, na ny efa nisaorana, na ny voaloto tamin'ny fIiangajangana, dia tsy azony hampakarina, fa virijina avy amin'ny fireneny ihany no hampakariny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB9B9CF9-29BF-49D0-9ED2-D2DE77753E8D
15
Ary aoka tsy hanao izay hahaloto ny taranany eo amin'ny fireneny izy; fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A701F604-BE9E-4AD7-B1A8-B90B1031F5F4
16
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B642D733-2FD1-4346-9ABD-AA5AE3E75F35
17
Mitenena amin'i Arona hoe: Izay rehetra misy kilema amin'ny zanakao, amin'ny taranany hatramin'ny fara mandimby, dia aoka tsy hanakaiky fanatitra ny hanin'Andriamaniny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|107E5A2A-F5AC-45B2-97AF-5B5DFD5F4B05
18
Fa izay rehetra misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanao izany na ny jamba, na ny mandringa, na ny petaka orona, na ny manana amby,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CAF741E-F655-46D6-86C3-7C229FABF77C
19
na ny tapa-tongotra, na ny tapa-tànana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B66E669-5318-40C8-9288-74EBCE3DCD67
20
na ny vokoka, na ny sahozanina, na ny misy pentinpentina eo amin'ny masony, na ny hatenina, na ny tsingaohina, na ny torotoro vihy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|135B343C-72F8-426B-AA48-87819761A3A8
21
Ny olona rehetra amin'ny zanak'i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanatitra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; misy kilema izy ka tsy mahazo manakaiky hanatitra ny hanin'Andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D67B206-A7BB-4699-96C3-A5E791CAD0E6
22
Ny hanin'Andriamaniny, izay avy amin'ny zavatra masina indrindra sy ny zavatra masina, dia azony hanina ihany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29DED663-F1F7-431F-868C-C5369CE92C82
23
kanefa tsy mahazo miditra ao anatin'ny efitra lamba na manakaiky ny alitara izy, satria misy kilema, mba tsy handoto ny fitoerako masina izy, fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF91C758-4128-4268-A376-904407E7E609
24
Ary Mosesy dia nilaza izany tamin'i Arona sy ny zanany ary ny Zanak'Isiraely rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A668796A-4C0E-4B66-B37B-1FB4BA0541B6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany