Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|512D0F97-4034-4F0F-A532-68475A7FD28C
2
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD09C753-D772-420F-925F-80C38FDAFA0B
3
Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory hianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8C06B56-9546-4D43-B016-6D23D7C1CEA8
4
Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amn'ny fotoany avy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38A48736-7587-471B-8657-9C3BD09A24B8
5
Ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC6CF0D8-7AC0-4B11-B4F1-A70271056A49
6
Ary ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana ho an'i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF0E4EC5-34CE-41B4-90E7-FA6A813F9672
7
Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo: aza manao tao-zavatra akory hianareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE46009C-61E5-4F50-8614-CF6FE8AFE5AC
8
fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah hafitoana; ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E1D0DE2-9EBA-4DA0-910A-978B1672A6B7
9
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16137FA1-A180-4239-95FD-F377C80533F7
10
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin'ny tany izay omeko anareo hianareo ka hijinja ny vokatra any, dia mitondrà amboara iray amin'ny voaloham-bokatrareo ho any amin'ny mpisorona hianareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E52794E9-209B-4D8B-9430-1744867F5AF7
11
ary hanevaheva ny amboara eo anatrehan'i Jehovah izy, hankasitrahana anareo; amin'ny ampitson'ny Sabata no hanevahevan'ny mpisorona azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AAE38992-FA68-41FA-89B4-A1FF2B01CBCE
12
Ary amin'izay andro hanevahevanareo ny amboara dia manatera zanak'ondrilahy tsy misy kilema izay iray taona ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|111CBF39-B1B3-48B7-B291-279FF84FCA53
13
Ary ny fanatitra hohanina momba azy dia koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra atao amin ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah; ary ny fanatitra aidina momba azy dia divay ampahefatry ny hina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|295920D5-5213-4BC9-B4E3-A17F3EC1EDFF
14
Ary aza mihinana mofo, na lango, na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan'ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an'Andriamanitrareo; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay fonenanareo rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F61C3BDD-EC60-401E-9446-5457469C651C
15
Ary manisà ho anareo hatramin'ny ampitson'ny Sabata, dia hatramin'izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42B1C965-EE05-43EF-8C1F-331071A534FB
16
Dia amin'ny ampitson'ny Sabata fahafito no hahataperan'ny andro dlmam-polo hisainareo, dia manatera fanatitra hohanina vaovao ho an'i Jehovah indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8A9E67C-1EE5-4BCA-9D07-462D0B4D5CD1
17
Ary mitondrà mofo roa avy amin'ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin'ny koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an'i Jehovah izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93C73785-E834-4C48-BFD3-391998BDA3D1
18
Ary manatera miaraka amin'ny mofo zanak'ondrilahy fito tsy misy kilema, izay iray taona, sy vantotr'ombilahy iray ary ondrilahy roa hatao fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo mbamin'ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia hanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3DB016EB-E30C-4436-AD35-40064E3718B2
19
Dia manatera osilahy iray ho fanatitra noho ny ota sy zanak'ondrilahy roa izay iray taona ho fanati-pihavanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21076CE9-1076-4C1F-BC65-AF5ABB7EFA85
20
Ary ny mpisorona hahevaheva ireo mbamln'ny mofon'ny voaloham-bokatra ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah mbamin'ny zanak'ondrilahy roa koa; ireo dia ho masina ho an'i Jehovah ho anjaran'ny mpisorona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20F3389E-8F79-49C8-8C7A-FB3E45B67814
21
Ary miantsoa izany andro izany ho fivoriana masina ho anareo, ka aza manao tao-zavatra akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mafidimby izany eny amin'izay fonenanareo rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA7D2C2E-726B-4D36-8A74-4D39404C2C82
22
Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo hianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny, ary aza tsimponina izay latsaka avy amin'ny vokatrao, fa avelao ho an'ny malahelo sy ny vahlny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9FF2E46-D2C8-434E-BCB9-822A2359DDD4
23
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00350814-22DA-4EDA-ADB0-6B970F1A9FA2
24
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin'ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7A5BA93-3BB7-4632-B8B4-C55D6CC2153E
25
Aza manao tao-zavatra akory hianareo; fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B5E81C1-FA15-488E-AAE5-5E43399BCB37
26
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B42BC8CE-B960-4188-9EB3-F3029FB890E3
27
Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masina ho anareo; ary hampahory ny tenanareo hianareo ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F014BA25-FEBE-4EC2-B88C-66D7A3693CBE
28
Ary aza manao raharaha akory amin'izany andro izany; fa andro fanavotana izany, hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF9397A1-0ED0-43DF-8BA9-4900384822F1
29
Fa ny olona rehetra izay tsy mety miory amin'izany andro izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FE5FA65-9358-4FFB-80E9-5D8B9A9914AB
30
Ary ny olona rehetra izay manao raharaha akory amin'izany andro izany dia hofongorako tsy ho amin'ny fireneny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E78B0E44-3319-43F8-9E38-A2692FC4F905
31
Aza manao raharaha akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay rehetra honenanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|415C916F-37E2-48A1-9394-B1BC4B47E483
32
Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo hianareo; amin'ny andro fahasivy amin'ny volana, rehefa hariva dia hatramin'ny hariva ka hatramin'ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA4DB220-3F04-4884-AD4F-B117049F3A04
33
Ary Jehovah niteriy tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2368E7C-D18F-4270-846E-009827740B9D
34
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana fahafolo izany no hiantombohan'ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFE0A0CA-F3F6-4332-9A57-0E036BEB95A7
35
Amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina: aza manao tao-zavatra akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A15AE566-B48D-4DA2-A0D8-71DD77774FFB
36
Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah hianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5026DB4-7A6F-4274-A6CD-9838CB91EA61
37
Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masina, hanaterana fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra hafa alatsa-dra sy fanatitra aidina, samy amin'ny fotoany avy izy rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B67FC3BF-0BCD-44E9-A230-4830483E80C2
38
afa-tsy izay fanao amin'ny Sabatan'i Jehovah sy ny zavatra omenareo sy ny fanatitra rehetra hanalanareo voady ary ny fanati-tsitraponareo rehetra, izay omenareo ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7E9CB73-4FC6-46F7-97D9-BC1FC428FF45
39
Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany hianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D85662F7-D3EC-49CD-8224-AC8B5BFCAA6E
40
Ary amin'ny andro voalohany dia makà voan'ny hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan'ny hazo mkirindro ary hazomalahelo amoron'ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5896F09-5B3A-4537-9F0E-103748BC1B4C
41
Ary tandremo izany ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah hafitoana isan-taona. Ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany; amin'ny volana fahafito no hitandremanareo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2285E13-CB98-4253-8C6E-C5158E2F027F
42
Ao amin'ny trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin'ny Zanak'Isiraely dia samy hitoetra ao amin'ny trano rantsan-kazo avokoa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59521CB2-2A97-400F-8584-BAF62E7E3ACB
43
mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy ny Zanak'Isiraely tao amin'ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95F39EC2-48FE-47EC-870A-F8E981D1EF2A
44
Ary Mosesy dia nilaza tamm'ny Zanak'Isiraely ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A86379C-1631-4317-8225-89F2A3AAF506
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany